entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Ambatolampy

Fisavana vary tao Ambohimandroso

02 Décembre 2017

fisavana 1Mitohy ny fitsidihana tampoka ataon'ireo tompon'andraikitra mahefa aty Vakinankaratra amin'ny fisavana sy ny fanentanana ireo mpivarotra vary ambongadiny . Nanomboka izany ny Alakamisy teo teto Antsirabe ka tamin'ity andron'ny Sabotsy 02 Desambra ity dia tao Ambohimandroso no nidinan'ireo manampahefana ka nitarika izany ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William , teo ihany koa ny Lehiben'ny Distrikan'Antanifotsy ,

ny avy ao amin'ny Kaominina Ambohimandroso ,ireo mpitandro ny filaminana ao anatin'ny distrikan'Antanifotsy ary mazava hoazy ny avy ao amin'ny foibem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana notarihin-dRamatoa Tale . Nasehon'ireto tompon'andraikitra ireto fa laharam-pahamehana imasoan'ny fanjakana ny fitsinjovana ny vahoaka ka tsy tokony hisy ny endrika fanararaotana indrindra amin'izao maitso ahitra izao. Hentitra ireto tompon'andraikitra ireto fa henjehin'ny lalàna ireo minia manafina ireo entana tokony hamidy , isan'izany ny vary izay tena fototsa-kafon'ny Malagasy. Iaraha-mahalala ankehitriny fa efa misy ireo vary izay afaran'ny fanjakana hitsinjovana ny vanim-potoana toy izao saingy ny ratsy tsy kely làlana fa mahita hirika hambotriana ireo Malagasy namana amin'ny fanitrihana ny vary. Nanamafy teto ny Lehiben'ny Faritra ary hentitra dia hentitra fa mahakasika tanteraka ny sosialim-bahoaka ny tranga misy ka tsy handefitra amin'ireo mpamongady sasany minia manitrika ity fototsakafon'ny Malgasy ity. Hoan'ny avy ao amin'ny foibem-paritry ny varotra dia nanamafy ny tokony hanarahan'ireo Mpamongady na ireo mpisehatra eo amin'ny raharaha ara-barotra ny lalàna velona .

fisavana 4fisavana 3fisavana 2
Unité Communication

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation