entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Région Vakinankaratra : Fankalazana ny faha-5 taonan' ny FLM Firaisankina

15 Octobre 2017

flm1" Ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako"Mat :16-18 io no teny faneva noentin'ny Flm Firaisankina izay niorina ny taona 2012 ao anatin'ny fileovana Antsirabe Antampontanana ny nankalazana ny faha 5 taona niorenany sy ny fanonkanana roa sosona dia ny fanonkanana ny tranom-pitandremana ary ny fanonkanana ny Flm Firaisankina ho lasa Fitandremana Firaisankina ny Alahady faha 15 Oktobra lasa teo.

Ny volana Avril 2016 no nekena ara-potokevitra ho Fitandremana ka ny volana Febroary 2017 kosa vao tena nekena ofisialy ho lasa Fitandremana ny Flm Firaisankina .Tonga nanome voninahitra izao fankalazana sy fanokanana izao ireo manampahefana notarihin'ny solontenan'ny lehibeny Faritra Vakinankaratra sy ny avy ao amin'ny Antenimieran-doholona . Tsy ampy ny filan'ny kristianina izay efa manodidina ny 2000 isa miampy ny ankizy efa hanakaiky ny 800 isa mianatra ny sekoly alahady intsony ny fiangonana izay mbola vita amin'ny hazo ka ao anatin'ny ezaka sy tanjona mbola tratrarin'ny Fitandremana ny hahalasa trano mafy sy tsara orina ity Flm Firaisankina ity.

flm2flm4flm3

U.COMM

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation