entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Région Vakinankaratra : Voly katsaka avo lenta

22 Novembre 2017

katsaka4Matotra ny fiaraha-miasa eo amin'ny faritra Vakinankaratra , ny foibem-paritry ny fiompiana sy ny fambolena ary ny orinasa AGRIPRO eo amin'ny fanatsarana ny vokatra katsaka eto amin'ny faritra. Vita sonia io maraina io ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny telo tonta hoan'ity fanatsarana ny vokatra katsaka ity , ny katsaka izay isan'ireo lalam-pihariana fototra ao anatin'ireo efatra imasoan'ny faritr amin'izao fotoana izao.

Ho fanombohan izany ary dia nisy fametrahana vala-tahaka eto anatin'ny ka nanatrika izany ireo ben'ny tanàna, ireo kaoperativa ary fikambanana tantsaha vonona hampihatra sy hifanome tànana amin'izao fanatsarana ny vokatra katsaka izao. Ny fanapariahana ny masomboly katsaka PAN-12 izay efa voasedra sy nahitam-bokany ity hozaraina amin'ny tsantsaha eto vakinankaratra ity ary fantatra fa mety hamokatra hatrany amin'ny 6 ka hatramin'ny 8 taonin isaky ny hekitara ny katsaka PAN-12. Faritra faha enina hanaovana ny andrana ny eto Vakinankaratra ary azo antoka fa tsy ho latsa-danja raha mitaha amin'ireo faritra hafa isika eo amin'ny vokatra mety ho azo noho isika manana toe-tany mamokatra

katsaka 1katsaka2katsaka3

U.comm

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation