entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

MEETFP : Rentrée solennelle 2017-2018

01 Décembre 2017

rentree1Sambany no nandray izany ny taty anivontany , nisantatra izany ny teto Antsirabe . Nitarika ny lanonana Ramatoa TOTO RAHARIMALALA Marie Lydia Ministry ny Fampananan'Asa , ny Fampianarana Teknika , ary ny fanofanana arak'Asa .
Antsirabe no nampiantrano ny fidirana manetriketriky ny taom-pianarana 2017-2018 hoan'ny ministeran'ny fampananan'asa , ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak'asa rehefa avy nitety ny manodidina ny afovoan-tany tao anatin'ny taona maro. "Olo mahay raha tsy very mandeha" io no lohahevitra nentina nanamarihana izany tamin'ity taom-pianarana 2017-2018 ity .

Hetsika maro loko no nanamarihana izany nanomboka ny Alakamisy 30 Novambra ka tamin'ity andron'ny Zoma 01 Desambra ity no natao ny lanonana Ofisialy tetsy amin'ny manoloana ny Tsangambato teto Antsirabe ka nitarika izany Ramatoa TOTO RAHARIMALALA Marie Lydia Ministry ny Fampananan'Asa , ny Fampianarana Teknika , ary ny fanofanana arak'Asa . Nandritra ireo lahateny nifandimbiasana no nilazan'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra mifanojo tanteraka amin'ny tanjona sy ny andraikitra sahan'ny faritra dia ny fampandrosoana ny maha olona manontolo ny tolotra omen'ity ministera ity indrindra fa ny fisian'ireo ivontoeram-panofanana teknika izay tsikaritra ho manomboka tena miroborobo raha ny aty Vakinankaratra satria vao tsy ela akory izay no nisokatra ny tao Antsoantany sy Andranomanelatra. Ny antony dia maro ireo teknisianina mivoaka amin'izy ireny no afaka miatrika asa avy hatrany . Tsy miraviravy tànana araka izany ny faritra manokatra fiaraha-miasa sy fifanomezan-tànana , satria tokana ny tanjona dia ny fampandrosoana an'i Vakinankaratra.
Nandritra ny lahatenin-dRamato aminisitra kosa no nanasongadinany fa mitodika amin'ny tanora ny fitondram-panjakana amin'izao fotoana izao , indrindra fa ny hoavy eo amin'ny sehatry ny asa mendrika sy mahavelona. Notsahiviny teto ny lahaten'Andriamatoa Filohampirenana nandritra ny fihoanam-be tany Abidjna farany teo fa ny tanora no hery afaka hitondra fampandrosoana , ary ny firenena tsy manana teknisianina tsy afaka ny handroso. Raha ho antsika eto Madagasikara hoy ihany Ramatoa Minisitra dia efa manana ny politikam-panjakana hoan'ny fampananan'asa sy ny fanofanana izay raha tsiahivina dia misy tanjona lehibe dimy dia ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra , ny asa vaventy, ny fizahantany sy ny fampiantranoana , ny fikiràna ny lamba, ary ny teknolojia vaovao ary raha ny tokony ho izy dia manomboka mihatra amin'ity taona 2017-2018 ity . Tsy ho tratra kosa ny tanjona hoy ihany izy raha tsy misy ny fampitoviana lenta ny tanora avy eny amin'ny tontolo ambanivohitra sy ny andrenivohitra indrindra fa ny fahaiza-manao ka rariny raha omena ny fiofanana sahaza azy izy ireo satria tanora mamorona asa no tanjona . Tsara ihany koa ny manamarika fa efa nisy volavolan-dalàna lany tao amin'ny antenimieram-pirenena ny Alakamisy 30 Novambra lasa teo mitondra ny laharana 017/2017 mahakasika indrindra ny tahirm-bola eny anivon'ny orinasa ho fampiroboroboana ny fanamafisana ny traik'efan'ireo efa miasa sy ny fampiofanana araka'asa . Fotoana ihany koa ity androany ity hoan'ny ministera nanolorana marim-pankasitrahana hoan'ireo mpianatra tena nahomby manerana an'i Madagasikara .
Tao aorian'ny lanonana tetsy amin'ny manoloana Tsangambato dia niroso tamin'ireo fanokanana fotodrafitr'asa mro Ramatoa Minisitra ka nanombohana izany ny biraon'ny foibem-paritry Fampananan'Asa , ny Fampianarana Teknika , ary ny fanofanana arak'Asa Vakinankaratra ery amin'ny Piste nitohy tetsy amin'ny CFP Sarobidy Parc de l'Est izay tsara ny manamarika fa tany nomen'ny Faritra Vakinankaratra avokoa no misy ireto fotodrafitr'asa roa ireto , ary ny tolakandro kosa dia ny fametrahana ny vatofototry ny faha 35 taonan'ny LTC Ivohitra sy fitokanana ireo fotodrafitr'asa nohavaozina ao amin'ity Sekoly teknika ity.

rentree2rentree3rentree4
Unité de communication

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation