entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Fizarana zezika tao Ambatolampy

20 Décembre 2017

ambatolampy zezika 1Isan'ireo Distrika voa mafy tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Enawo ny Distrikan'Ambatolampy. Tsy nitazam-potsiny ireo vahoaka tra-boina tany an-toerana ny fitondram-panjakana fa nitondra tohana ho azy ireo indrindra fa ny lafiny ara-pambolena. Kaominina 8 amin'ireo 19 ao anatin'ity distrika ity araka izany no nomena tohana zezika sy masomboly katsaka dia i Behenjy , Ambohimpihaonana , Tsiafajafona, Andravola Vohipeno, Ambatolampy,Morarano , Manjakatompo ary Antanamalaza.

 

Nandray an-anjara betska tamin'ny fahazoan'ireto vahoaka ireto izao fanampiana izao ny faritra satria heverina fa hitondra fivoarana indrindra fa eo amin'ny ara-teknika amin'ny fampitomboana ny vokatra ny fampiasana ny zezika biolojika , ny faritra raha-teo dia mamporisika misimisy kokoa ireo tantsaha mba hamokatra mitodika amin'ny tsena , izay sarotra ihany ny hanatrarana izany raha tsy mitombo ny vokatra hoy ny Lehiben'ny Kabinetran'ny Faritra Andriamatoa RAMARIJAONA Andrianjafimiarantsoa .Isan'ireo akaiky vilany feno arina , mpiahy manokana ny kaominina ny antenimieran-doholona , nitondra ny tatitra tany amin'ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany indrindra fa ny tao amin'ny Ministeran'ny fiompiana sy ny fambolena.Zezika milanja 6 taonina fanampin'ireo 3 taonina efa lasa tany aloha no natolotra ka tao Behenjy , Ambatolampy ary Ambohimpihaonana no nananterana izany .

ambatolampy zezika 3ambatolampy zezika 2ambatolampy zezika 4

U.COMM

 

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation