entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Mpiasan’ny Faritra Vakinankaratra: Fifampiarabana noho ny taona vaovao 2018 

08 Janvier 2018

fifampiarabana 4Ny marainan’ny alatsinainy teo no nanatateraka ny fiarahabana noho ny taona vaovao ny lehiben’ny faritra ireo mpiasa rehetra teo anivon’ny Faritra Vakinankaratra. Tamin’ity fotoana ity mantsy vao nifankahita ny Lehiben’ny Faritra sy ireo Mpiara-miasa rehetra tamin’izao taona vaovao izao. Toy ny fanao isan-taona dia notoolorana ny solom-bodiakoho ny ray aman-dreny ary nifampirary soa teto ny rehetra.

Isan’ny vaovao Lehibe nisongadina tamin’ny faraparan’ny taona iny ny fankasitrahan’ny fitondram-panjakana ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra, ny Jeneraly Rakotonarivo William ka nampiakarainy teo amin’ny laharan’ny General de Division, miampy arak’izany ny kintana eo antsorony, miisa telo izany ankehitriny. Ny fisondrotan’ny galona tahaka izao dia mitaky adidy sy andraikitra maro eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Teto ny rehetra dia nifanome toky fa vonona ary hifanampy amin’ny asa rehetra izay atao.
Tsy adino ihany koa ireo mpitantana hafa teto anivon’ny Faritra fa notolorana izay solom-bodiakoho izay, toy ny talen’ny lafitany sy ny tale miadidy ny fampandrosoana. Ireo mpitantana hafa kosa mbola tsy eto antoerana nandritra ny fotoana nifampiarahabana noho ny taona vaovao.

fifampiarabana 2fifampiarabana 3fifampiarabana 1
Unité de Communication

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation