entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Nahazo fanampiana ireo tra-boina ao Ambohibary sy Mandrosohasina

10 Janvier 2018

ambohibary 1Vary 2 taonina ho an'ireo tra-boina ao Ambohibary-Mandrosohasina

Olona 3316 no tsy manankialofana ao amin’ny commune ambohibary sy Mandrosohasina avy amin’ny fianakaviana 752. Ireo tranon-tsekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no mandray azy ireo noho izao voina izao. Maro ireo fokontany ao amin'ireo commune ireo no mitondra faisana toy ny fokontany ao Ambatomainty

izao dia lasibatra ny voly avotra toy ny legumes sy ny vary antanibary.

Manoloana ny fahavoazana dia nanolotra vary 2 taonina ny Faritra sy ireo loholona mirahalahy avy eto amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nitarika ny delegasionina tamin’ny fanaterana izao fanampiana izao ny Lehiben’ny faritra sy ireo mpiara-miasa aminy.

Hatramin’ny nisehoan’ny fahavoazana dia efa nandray fanampiana ireto olona tra-boina ireto nisy ny avy any amin’ny fitondram-panjakana sy ireo tsara sitrapo maro, efa nisy ihany koa ny fitia tsy mba hetra natao teo anivon’ny commune ka nahazoana lelavola 427 900Ar, ovy, vary 165 kapoaka ary ny pate matsiro. Hiaraha-mahalala fa faritra tena mpamokatra raha ity Ambohibary sy Mandrosohasina ity efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana ny amin’ny hamatsiana masomboly.

ambohibary 2ambohibary 3ambohibary 4
Unité de Communication

 

 

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation