entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Urban Plan : Handrafitra ny PUDI ho an'ny 15 taona an’ny Commune Antsirabe

18 Janvier 2018

pudi 1Delegasionina vahiny avy ao amin’ny bureau d’études « Urban Plan » no mamita iraka eto Antsirabe Vakinankaratra ankehitriny. Iraka ataon’ireto vahiny sy Malagasy ireto no hanatanteraka sy hanavao ny PUDI na ny “plan d’urbanisme directeur”ho an’ny tananan’Antsirabe, ary hitondra fanamafisam-pahalalana ho an’ny rafim-pajakana mikasika izany fanatsarana ny Tanana izany.

Ny aton-diany dia tafiditra amin’ny tetikasa PADEV “Programme d’Appui au développement de Ville Équilibre » izay vatsian’ny AFD vola. Ny Fananana ny PUDI ho an’ny tanana iray dia ahafahana mijery lavitra ny endriky ny tanana no sady ihany koa kasinga iray ilaina amin’ny tetikasam-pampandrosoana ahafahana maminavina sahady ny hoavin’ny tanana iray. Ho an’ny Vakinankaratra manokana, zava-dehibe amin’ny ny fahatongavan’ny « Urban plan » satria ilaina amin’ny fanataterahana ny asa fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny vokatra hoentiny araka ny nambaran’Andriamatoa RAMAROJAONA Andrianjafy Lehiben’ny Kabinetran’ny Faritra Vakinankaratra.
Tanan-dehibe 4 no voakasiky ny PADEV eto Madagasikara, dia Antsirabe, Toliary, Fianarantsoa ary Diego.Topomarika amin’izao asa izao ny Ministera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny fandaharan’asa’ny Filoham-pirenena fanajariana ny tany sy fampitaovana.

pudi 2pudi 3pudi 4
Unité de Communication

 

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation