entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Fifampiarahabana niarahana tamin'ny Ben'ny Tanana Antsirabe I sy ny Groupe SOCOTA

31 Janvier 2018

socota 3Na dia efa aty amin 'ny fiafaran' ny volana janoary aza isika dia mbola maro ireo sehatra , na io miankina na tsy miankina amin ny fanjakana no mitondra ny solom-bodiakoho hoan 'ny Ray aman-dreny eto amin' ny faritra. Ny maraina teo dia isan 'ireo nanatontosa izany ny avy ao amin ny kaominina ambonivohitra Antsirabe notarihin' Andriamatoa Ben ny tanana sy ireo mpiara-miasa aminy .

Teo ihany koa ny vondron 'orinasa SOCOTA , izay mbola nampiseho hatrany ny fahavitrihany hitondra ny anjara birikiny amin 'ny fampiroboroboana ny toe-karena eto amin' ity faritra Vakinankaratra ity , nisongadina izany tamin' ny fihaonana tamin 'ireo tompon 'andraikitra rehetra tato amin 'ny faritra . Ny fotoana toy izao ihany koa , satria vao miandoha ny taona , dia fotoana nentina nifampizarana' ity vondron orinasa ity amin' ny ankapobeny ny taona nivalona , izay raha fehezina dia somary nisedra olana ihany , indrindra fa ny angovo hoenti-mampihodina ny orinasa , ka isan 'izany ny lafin ny herin 'aratra . Nampatsiahy teto ny Lehiben ny Faritra fa efa misy ny tetik' asa ho famatsiana jiro indrindra fa ireo azo avy amin ny angovo azo havaozina toy ny ao Ambohimpihaonana izay hametrahana ny "Centrale Solaire "manana tanjaka 20 Mégawatts iarahana amin'ny GreenYellow, eo ihany koa ny tetik 'asa Café Lumière izay efa hanomboka tsy ho ela. Hita taratra nandritra ny dinika fa misy tokoa ny fifanomezan-tanana eo amin ny fanjakana sy ny tsy miankina .

socota 1socota 2socota 4
Unité de communication

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation