entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Z'OVY : Hiditra amin'ny andihany faha-04

06 Février 2018

zovy 1Fivoriana fanomanana Z’ovy:
« Vahoaka mirotsaka amin’ny fampandrosoana antoky ny fisandratan’ny Faritra Vakinankaratra » « Population impliquée au développement , garant de l’Emergence de la Région Vakinankaratra » io no lohahevitra iompanan’ny Hetsika ara-toekarena Z’Ovy andiany faha-efatra amin’ity taona 2018 ity.

Tamin’ny andiany fahatelo ny taona 2016 no nanapaka ny rafitra GTR Groupe de Travail Régional sy ny Faritra Vakinankaratra fa atao isaky ny roa taona ny hetsika ary hotazomina ny datin’ny Pentecotes. Tapaka ary fa ny 18 hatramin’ny 20 mai 2018 no hanatonstosana izany ary eto Antsirabe ihany. Fantatra ireo rehetra ireo nandritra ny fivoriana savaranon’ando notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny Faritra RAKOTOMAHANDRY Thimoté , natrehin’ny talen’ny Kabinentran’ny Lehiben’ny faritra sy ny Sekretera Jeneralin’ny prefektiora ary nandray anjara tamin’ny fihaonana ireo mpitarika isam-baomiera avy ao amin’ny GTR.
Teto ny mpandray anjara dia samy resy lahatra fa hetsika iray tsy azo hodivirana ny Z’ovy, ary mandritra ny hetsika no hanasongadinana ny maha izy azy ny faritra eo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Omena sehatra bebe kokoany vahoaka eto noho izy antoky ny fampandrosoana, filamatry ny faritra raha teo ny hoe “tsary misy harena noho ny olona. Teto dia efa nofariparitana tamin’ny ankapobeny ireo karazana hetsika ataon ireo vaomiera isan’ambaratonga hanomana hetsika ary koa ireo rantsa-mangaika mpikambana isam-baomiera. Aorian’izao fivoriana savaranon’ando izao dia hanomboka hivory ny isam-baomiera ary hanapaka ny anjara asa sy andraikitra miandry azy ireo ho fampahombiazana ny Z’ovy andiany faha-efatra.

zovy 2zovy 3zovy 4
Unité de Communication

 

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation