entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Komitin'ny Synodam-paritany avaratry mania faha-66

11 Février 2018

a Synoda 1Ny fileovan'i Mandoto no nampiatrano ny komitin'ny synodam-paritany Avaratrimania faha 66 nanomboka ny 6 febroary ka hatramin'ny 14 febroary hoavy izao . "Amin'ny maraina afafazo ny voanao, amin'ny hariva aza atsahatra ny tananao - Mpitt 11,6" , io andalan-tsoratra masina io no teny manentana ireo mpizaika mandritra izao synoda lehibe izao . Niavaka ny Alahady teo satria tonga nanome voninahitra ny fotoam-bavaka lehibe izay notarihin'ny Filohan'ny Fiangonana Loterana eto Madagasikara ireo tompon'andraikim-panjakana , notarihin'Andriamatoa minisitry ny fahasalama_bahoaka , izay sady mpiahy an'i Vakinankaratra. Nohamafisin'Andriamatoa Minisitra teto fa matotra ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny fingonana , indrindra fa eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana ny firenena.
Etsy ankilany dia mahatsapa ihany koa ny fiangonana fa tsy anjorom-bala eo anatrehan'ny fanjakana .
Teto dia nanolotra 2 tapitrisa ariary ho fanampiana ity komitin'ny synoda faha 66 ity Andriamatoa Minisitra , tohana izay avy amin'ny fanjakana foibe. Ny fotoana toy izao dia fotoana iray ho fametrahana ny fandaminana rehetra ka isan'izany ny fanehoana ampahibemaso ny filohan'ny Synodam-paritany avaratrimania vaovao dia ny Mpitandrina RATOLOJANAHARY Andriamanampy , izay filoha lefitra teo aloha , ary fantatra teto ihany koa fa ny Mpitandrina RAKOTOVAO Joseph izay filoha teo aloha dia mitazona ny filoham-boninahitry ny Synoda.
a Synoda 2a Synoda 3a Synoda 4
U. Comm

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation