entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Tirelire goavana ho an'ny lehiben'ny fokontany aty Vakinankaratra

21 Février 2018

tirelire 1Lelavola 48 600 000Ar no natokan’ny fanjakana ho an’ireo lehiben’ny Fokontany eto amin’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra, tambi-karama 18 volana io naloha ho azy ireo io. Tonga nisantatra ny fandoavana ny tambi-karama ho an’ny Lehiben’ny Fokontany aty Vakinankaratra ny Minisitry ny Fahasalamana ny Profesora ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana, sady Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra.


Efa voalamina tanteraka ankehitriny ny fidinana eny ifotony ho fandoavana ireo tambi-karama ho an’ny sefom-pokontany rehetra aty Vakinankaratra ireto toy ny natao teto Antsirabe dia delegasionina Mafonja no hiara-hidina handoa ny tambi-karama, hitarika izany ny Lehiben’ny Faritra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William sy ny Prefet Ramatoa ANDRIATOMPONERA Voahangiarimino, ireo Loholona aty Vakinankaratra,Izy ireo izay nihady mafy ka nahazoana izao tambi-karama izao, ary tsara ny manamarika fa I Vakinankaratra no nahazo volana betsaka indrindra hatreto. Izany hoy ny Minisitra dia noho ny fandresen-dahatra nataon’ireto mpitantana aty Vakinankaratra ireo. Ny Minisitra raha nandray fitenenana teo dia nankahery ny asa miandry ireto lehiben’ny fokontany ireto ary nidera azy ireo ihany koa satria mbola nandeha an-tsakany sy an-davany ihany ny asa rehetra eny anivon’ny Fokontany na dia tsy nandray tambi-karama ary izy ireo fotoana lavalava izay. Tsy manadino anareo hoy ihany izy ny Fitondram-pajakana, ary izany indrindra no anton’izao fandoavana ny tambikarama mivaingana izao. Efa napetraka ihany koa fa eny ifotony no miainga ny fampandrosoana koa iza moa ny mpitantana ny eny ifotony tsy ny Lehiben’ny fokontany ve? Mahereza hoy ny Minisitra amin’ny asa rehetra izay miandry abareo ary aoka tsy hanadino ny Ray aman-dreny amin’ny fotoana ilan’ny Ray aman-dreny anareo ireo, dia tsy iza izany fa ny fitondram-panjakana izany mantsy no atao hoe valibabena.
Tsara ny manamarika fa miisa 60 ny fokontany eto amin’ny kaominina ambonivohitra Antsirabe ary nifarana tamin'ny fiaraha-misakafo ny fihaonana teto ho fifampizarana ny nofonkena mitam-pihavanana.

tirelire 3tirelire 4tirelire 2
Unité de Communication

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation