entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Tambin'karama : Distrika 04 sahady no nidinana

23 Février 2018

1 tambinkarama 1Velom-bolo tanteraka ireo Lehiben’ny Fokontany tao amin’ny tapany andrefanan’I Vakinankaratra satria anjaran’izy ireo indray no nisitraka ny tambikarama 18 volana avy amin’ny Fanjakana. Nanombohana izany ny tao amin’ny Distrikan’ny Betafo izay nahitana Fokontany miisa 138 ka ny kaomina 13 no voakasik’ireo ka mitentina 81.540.000 ariary.

Miainga eny amin’ny fokontany ny fampandrosoana ka anisan’ny tosika lehibe hoan’ny fampandehanan-draharahaizao fandoavana ny tambin-karama ho an’nysefo fokontany izao .

Na dia efa alina ary ny andro dia mbola nitohy nihazo ny Distrikan’ny Mandoto indray ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo sefo Fokontany izay nahitana Fokontany miisa 76, ka mitentim-bidy 41.040.000 ariary. Matotra hoy hatrany ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana amin’ny fanampiana ny vahoaka Malagasy.
Mitohy tsy mijanona ny fandoavana ny tambikaraman’ireo Lehiben’ny Fokontany isaky y Distrika efa maro no nahazo ny anjarany tao amin’ny Distrik’Antsirabe faharoa ary hitohy amin’ny Distrika hafa indray izany amin’ny manaraka.

1 tambinkarama 31 tambinkarama 51 tambinkarama 61 tambinkarama 7
Unité de Communication

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation