entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Miandrandra fiaraha-miasa amin'ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana Frantsay isika (2ème Assise de la Coopération décentralisée au Carlton Madagascar)

05 Mars 2018

assise 1‘’Fanamafisana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana , fanatsarana ny fifandraisana amin’ny any ivelany, fifanakalozana @ haitao sy ny traikefa ‘’ ireo no tanjona ho amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ary manao ezaka goavana ny fitondram-pahefana hoy ny filoham-pirenena mba hanatrarana ny vina napetraka dia ny fisandratana 2030.

Niavaka ireo nandritran’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny filoham-pirenena tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny ‘’ 2eme assise’’ ho an’ny fiaraha;miasa eo amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Aharitra telo andro izao fihaonana izao ka ben’ny Tanana manodidina ny 200 avy amin’ny firenena frantsay sy Malagasy no mandray anjara, eo ihany koa ireo Lehiben’ny faritra. Mandritra ny hateloana dia maro ireo atrikasa sy fihaonana ary koa fampirantiana ataon’ireo faritra eto amin’ny nosy ny vondron’ny fikambanan’ny ben’ny Tanana sy ny maro hafa ka ao @ ‘’toit de tana’’ rihana faha 15 ao @ carlton no hanaovan’ireo faritra mpandray anjara amin’ny fampiratiana, mizara amin’ny efitra maro ao antoerana ny velan-kevitra samihafa misy ihany koa any amin’ny ministeran’ny raharaham;bahiny. Nandritran’ny lanonam;panokafana ny tolakandron’ny alatsinainy dia samy nanamafy ireo nandray fitenenana na ireo vahiny na ireo teratany fa ny fiaraha-misalahy hatrany no fahombiazana. Ireo hetaheta nivoitra teto dia saiky mifanandrify ary miodina ao anatin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy avokoa. Tao ireo ilana amin’ny fizahan-tany,ao ireo ny fidiovana sy ny fanadiovana, faampandrosoana eny ifotony. Marolafy ireo endrim-pampandrosoana ho voaresaka mandritra izao assise izao. Tsiahivina fa ny volana mai taona 2006 no nisian’ny assise voalohany tany frantsa ary 12 taona aty aoriana vao teraka indray ny andiany faharoa. Jery todiky ny 12 taona lasa , fihazonana ny vokatsoa ary fifanakalozana fahaiza-manao no hisongadina izany mandritra ny fihaonana. Mandray anjara mavitrika aminizao hetsika izao ny Faritra vakinankaratra endrika hisintonana ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ireo zom-pialohana fototra miisa efatra ifotoran’ny faritra dia ny fivelaran’ny famokarana mitodika amin’ny tsena eny @ tontolo ambanivohitra, ny fampiroboroboana ny fanodinana madinika sy goavana, ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina, ary koa ny fampandrosoana ny mahaolona amin’ny lafiny fampihofanana. Afa-po ny filoham-pirenena nandritra ny fitsidihany ny trano heva voatokana ho an’ny faritra Vakinankaratra satria efa manana ny vina ho an’ny fisandratana 2030 sahady I Vakinankaratra izy araka ny nambaran'ny Lehiben'ny Faritra Ny Jeneraly
RAKOTONARIVO WILLIAM
Aharitra hatramin’ny 7 martsa izao hetsika izao ka andrasana ny vokatry ny mety ho fiaraha-miasa amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Fantatra mantsy ankehitriny fa mbola 13 amin’ireo faritra 22 no manana vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Antenaina arak’izany fa hisy ny fiaraha-miasa vaovao aorian’izao hetsika goavana izao. Tsara ny mampatsiahy fa I vakinankaratra dia isan’ny nanana fiaraha-miasa tamin’I Auvergne rhones alpes fa saingy efa nikatona izany fiaraha-miasa izany noho ny rivotra politika niova sy nitsoka tany la frantsa tany.

assise 2assise 3assise 4
Unité de Communication

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation