entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Fetin'ny vehivavy sy ny fandoavana tambikaraman'ny lehiben'ny Fokontany tao Faratsiho

12 Mars 2018

1 faratsiho 1Faratsiho:
Fetin'ny vehivavy sy ny fandoavana tambikaraman'ny lehiben'ny Fokontany , nifanindran-dalana
Lanonana lehibe roa sosona no niseho tao amin'ny distikan'ny Faratsiho ny alakamisy 08 mars teo ka niara-nifaly avokoa na ny lahy na ny vavy. Voalohany dia ny fankalazana ny andro manerantany ho an'ny Vehivavy natrehin'ny Minisitry ny fahasalamana sady mpiahy ny Faritra Vakinankaratra teo ihany koa Ramatoa Vadin'ny Lehiben'ny Faritra Ramatoa Esthère RAKOTONARIVO sy ny Vadiny ny Général de Division RAKOTONARIVO William.

Lanonana faharoa dia ny fandoavana ireo tambi-karama ho an'ireo Lehiben'ny Fokontany sy ny lefiny manodidina ny 196. Niara-paly ny rehetra teto satria an-daniny ny Vehivavy nanamarika ny andro malazany izay tsy misy afa-tsy indray mandeha isan-taona ary mbola natrehina Ray aman-dreny lehibe eto amin'ny Firenena sy ny Faritra. Teo ihany koa ireo Lehiben'ny Fokontany izay ny hakamaroany dia lehilahy avokoa ka nandray ny valin-kasasarany nandritra ny 18 volana. Ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Profesora ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana dia tsy mitandro hasasarana raha ho an'ny Faritra Vakinankaratra ka raha vantany manam-potoana dia tonga miahy sy mizara toromarika sy mihaona amin'ireo tompon'andraikitra eny ifotony hatrany.
Velom-pisaorana ireo Lehiben'ny Fokontany satria tsy adinon'ny Fanjakana ilay mba sitrany ahay ho azy ireo. Ny Lehiben'ny Fokontany mantsy dia isan'ireo Mpiasa be tokoa sady manam-piniavana hampandroso sy handray andraikitra satria na dia kely aza izany tambi-karama izany dia manao ny ainy tsy ho zavatra mba hampandeha ny asa manandrify azy.
Aorian'izao dia ny Distrikan'Ambatolampy sy Antanifotsy no hanohizana izao fitetezam-paritra ho fanefana izao tambi-karama ho an'ny Lehiben'ny Fokontany izao. Mitarika ny Delegasionina hatrany ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra, ny Talen'ny Kabinetran'ny faritra ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy.

1 faratsiho 21 faratsiho 31 faratsiho 4
Unité de Communication

 

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation