entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Distrikan'Antanifotsy : Nahazo tohana tamin'ny Fanjakana

21 Mars 2018

Antan zezika1Zezika Kankana (Lombricompost) 6000 kg maharakotra velaran-tany 12 ha ,masomboly katsaka 600 kg ary tsaramaso 400kg no tosika ho tantsoroka entin'ny fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Foibem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana nanohanana ny Distrikan'Antanifotsy nohon'ny takaitra navelan'ny Rivo-doza farany teo iny .

Kaominina maromaro no voakasika ato anatin'ny Distrikan'Antanifotsy ka tamin'ny alalan'ny tatitra azo tany anivon'ireo Fokontany tsirairay izay nihanjadian'ny voina no nahafahana nandrefesana ny fahavoazana ka nanamora ny fampiakarana ny tatitra nankany amin'ny fanjakana foibe . Nanampy tamin’ny fahazoana izao tohana avy amin’ny fanjakana izao ny minisitra miahy ny Faritra Vakinankaratra dia tsy iza izany fa ny Profesora Mamy Lalatiana ANDRIAMANARIVO , nitondra ny fisaorana ny fitondram-panjakana Ramatoa Prefet ANDRIANTOMPONERA Nalisoa Voahangiarimino
Niara-dalana teto ny Prefektioran’Antsirabe sy ny Faritra Vakinankaratra tamin’ny tale miadidy ny lafitany Ramatoa RAMAHANDRIARIVO Fanja tamin’ny fanolorana izao tohana avy amin’ny fanjakana izao.
Nosafidiana ho katsaka sy tsaramaso no masomboly natolotra teto noho ny distrikan’ Antanifotsy mampiatra ny voly avotra ka afaka mamboly ireo indroa isan-taona .

Antan zezika4Antan zezika2Antan zezika3
Unité de Communication

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation