entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Ivom-pihofanana ara-pambolena ( REAP )

17  Avril 2018

REAP 2MANANA TOMBONY VAKINANKARATRA AMIN’NY TAMBAZOTRAN’NY IVOM-PIHOFANANA ARA-PAMBOLENA
(17 avril) Vakinankaratra no nandray ny atrikasa iraisam-pirenena faha 4 ho an'ireo tambajotra REAP na ny « Réseau des Etablissements Agricoles Professionnelles » Iarahana amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana ka anisan'ny firenena mikambana ao anatin'izany i Madagasikara.

Ny Ny Centre Lovasoa no mampiantrano ny atrikasa mandritra ny telo andro izay hifarana ny alakamisy izao. Mpikamabana ao anatin’ity tambazotra ity ireo ireo nosy aty amin'ny ranomasim-be Indianina, ireo firenena any Afrika Antsinanana sy Atsimo. Ny taona 2012 no niatombohan’ity rafita REAP ity.Fifanankalozana fahaiza-manao ,fizarana traikefa ho an'ireo tantsaha matihanina sy ny toeram-piofanana samihafa ary nisy ny fampitoviana ny fomba fijery ka hevitra maro no voatambatra niaraha-nandinika .Madagasikara no anisan'ireo be mponina indrindra raha oharina amin'ireo firenena izay tsy azo ampitoviana amin'ireo firenena ao anatin'ity tambajotra ity ary toy izany koa ny tany azo volena izay mbola tena malalaka.
Hanana tombony amin'izao atrikasa izao ny faritra Vakinankaratra satria tafiditra ao anatin’ny Lahadinika ireo lalam-pihariana fototra aty vakinankaratra dia ny KATSAKA, SOJA ,RONONO ary ny KAOMPOSTA na otri-jezika. Tombony hafa ihany koa ny fananana’I Vakinankaratra ivom-panofanana sy tantsaha mpisehatra betsaka miparitaka amin'ny kaominina maro . Nanokatra izao atrikasa izao ny Sekretera jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny fambolena RAKOTOBE Tovo ary nanome voninahitra ny sekretera jenralin’ny faritra vakinankaratra Rakotomahandry Timothé

REAP 1REAP 3REAP 4
Unité de Communication

 

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation