entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Hanomboka ny 17-18-19 May ho avy izao ny foara ara-toekarena « Zovy » 2018.

04 Mai 2018

1 zovy 1Ho ambohim-pihaonan’ireo tantsaha sy ny mpandraharaha ary ny mpamatsy vola ny fisian’ny hetsika ara-toekarena « Zovy » 2018. Ao andrenivohitr’i Vakinankaratra no hanatanterahana izany ny 17-18-19 May ho avy izao. Miditra amin’ny andiany faha-efatra ity foara ity ka hisongadina amin’izany ny fifanatonan’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Fanetsehana ireo mpisehatra fototra  amin’ny fampandrosoana ara-barotra ao amin’ny faritra, ho fisandratana mirindra miainga amin’ny tanjaka sy otrikarenany misy any an-toerana. « Vahoaka mirotsaka amin’ny fampandrosoana, antoky ny fisandratan’ny faritr’i Vakinankaratra ».

Trano heva manodidina ny 120 no ho hita mandritra izany, hisy ny varotra fampiratiana, famelabelaran-kevitra, ny (B to B), ny hetsika ara-javakanto, sy ara-panatanjahantena sns. Ny 85% mponina any an-toerana dia tantsaha avokoa, ka mila tosika sy fifanohanana mba ahafahan’izy ireo mampitombo ny vokatra, hoy ny lehiben’ny faritr’i Vakinankaratra, Gal RAKOTONARIVO William.

Hiantsoana ny mpampiasa vola amin’ny izay mety ahafahana manampy azy ireo, indrindra fa ny lalam-barotra. Azo atao tsara ny manangana orinasa hampiodinana izay vokatry ny tany izay, ary hampitombo ny fananan’asa ihany koa. Isan’izany ny famokarana ronono izay mbola malalaka io seham-pihariana io raha ny eto Madagasikara.

Mamitiana RASOLONIRINA

http://tvpresse.mg/vakinankaratra-hanomboka-ny-17-18-19-may-ho-avy-izao-ny-foara-ara-toekarena-zovy-2018/

 

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation