entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Distrikan'i BETAFO:Lalana 22KM hosokafana ho famoaham-bokatra

06 Mai 2018

1 betafo 4Velom-panantenana ny mponina ao anatin'ny Commune Betafo, Antsoso, Manohisoa ao amin'ny distrikan'ny Betafo, fampandrosoana mivantana miantefa eny anivon'ny vahoaka izay no tanjona. Natomboka ny farany herinandro lasa teo ny fanokafana ny fanamboarana ny lalana mampifandray an'ny ireo commune telo ireo.

Tonga nanotrona izany ny avy eo anivon'ny Faritra Vakinankaratra Notarihan'ny Lehiben'ny Faritra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William. Lalana mirefy 22km mampifandray commune telo no hosokafana sy asiana fanamboarana, misy amin’'io ampahan-dalana io no hatao amin'ny tara ary ny ampahany sasany izay mora andalovan'ny rano kosa no atao rarivato.
Izao tetikasa izao dia ezaka sy firaisankina teo amin'ireo commune telo izay mpahazo tombotsoa amin’ny fahavitan’ity lalana ity. Laharam-pahamehana ny fahavitan’ny lalana ary hiteraka hafainganam-pandehan’ny fampandrosoana izany, hanampy amin’ny fanatontosana ny asa ny faritra arak any nambaran’ny Lehiben’ny Faritra. Nisy ny famonoana omby ho an'ny fokonolona teto ho mariky ny fanombohana ny asa

1 betafo 31 betafo 21betafo1
Unité de Communication

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation