entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Andro maneran-tany ho an'ny Mozea

19 Mai 2018

mozea 1Ny 18 Mai no andro maneran-tany natokana ho an'ny Mozea, fa ho an'ny Faritra Vakinankaratra manokana dia ny 19 Mai no nankalazana izany andro izany maneran-tany izany tao amin'ny foibe Lovasoa Antsirabe Sekoly Norveziana taloha noho ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Foara Ekonomika Zovy teto amin'ny Faritra ny Zoma 2018.


Ny lanonana fankalazana dia notarihin-dRamatoa RAMAHANDRIARIVO Fanja - DAGT eto amin'ny Faritra Vakinankaratra, izay nisolo tena an'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra.
Nanatrika ny lanonana ihany koa Andriamatoa RAKOTOSOLOFO SERGE izay lehiben'ny Sampan-draharaha ny Kolontsaina eto Vakinankaratra ary nisolo tena ihany koa an-dRamatoa Talem-paritry ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana
ny Asatanana ary ny Fiarovana ny Vakoka eto Vakinankaratra.
Nikarakara izao hetsika izao moa ireo Komity mpikarakara dia ny Sampan-draharahan'ny Vakoka eto Vakinankaratra notarihin-dRamatoa PANALINARIVO Soahanitriniala izay lehiben'ny Sampan-draharahan'ny Vakoka eto Vakinankaratra, Ramatoa Lalao RAKETAMANGA, Tompon'andraikitra voloahany ao amin'ny Mozea RAKETAMANGA ary Ramatoa Joanina RAZAFINDRAKOTO Lehinen'ny Sampana Kolontsaina sy Haitao ao amin'ny CCCC Lovasoa.
Nasaina manokana tamin'ity fankalazana ity ny solotenan'ireo mpianatra avy amin'ny sekoly ambaratonga faharoa ary koa ireo sekoly ambony manofana tanora hanao mpisera dia. Tao ihany koa ireo Talen-tsekoly isan-tsokajiny avy.
Natao izany mba ho fanamfisana ny maha zava-dehibe ny fikajiana ny vakoka ary ny maha zava-dehibe ny Moze eo amin'ny hoavin'ny taranaka faramandimby sy ny hoavin'ny firenena.
Namaranana ny fotoana moa ny fitsidihana ny Mozea Lovasoa 4C ho an'ireo rehetra nasaina.

mozea 2mozea 3mozea 4

U.COMM

 

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation