entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Sakafo azo antoka sy manaraka ny fenitry ny kalitao no tokony hojifain'ny mpanjifa

01 Juin 2018
sakafo 1Hentitra ny fitondram-panjakana amin’ny fanaraha-maso ny sakafo hamidy hojifain’ny daholobe, hisy ny toromarika hiainga eny anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamana. Nasongadin’ny Minisitry ny fahasalamana ny Pr ANDRIAMANARIVO Mamy Lalatiana , io nandritra ny fanamarihana ny andiany fahatelo tamin’ny androm-pirenena ho fampiroboroboana ny sakafo azo antoka sy tsara kalitao izay natao teto Antsirabe.

Ambohimpihaonan’ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny fahasalamana ny andron’ny 01 jona ny teto Antsirabe nandritra io fotoan-dehibe io.
Ankehitriny efa manomboka mahazo laka ny fivarotana sakafo masaka eran’ny toerana rehetra. Tsy ratsy akory izy ireny fa tokony hanaraka ny fenitra sy ny kalitao ara-pahasalamana mba hisorohana ny fahampoizinana ara-tsakafo.Maro mantsy ny olona no efa tsy dia afakamisitraka ny sakafo any antokantranonay fa tsy maintsy manjifa ireny sakafo masaka ireny ka izany indrindra no tokony hanamafisana ny fisorohana.
Ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ny jeneraly Rakotonarivo William, raha nandray fitenenana dia nisaotra ny fitondram-panjakana tsy manadino an’ny faritra vakinanarakatra na ra-mpampandrosoana izany na araky ny hetsika sosialy ny fanetanana ny vahoaka. Tato ho ato mantsy dia naresaka hatrany Antsirabe amin’ireo hetsika maro isan-karazany. Fararanon-danonana Antsirabe no sady hitobahan’ny rony noho ireo dingam-pampandrosoana maro, asan’ny fitondram-panjakana misy : raha tsy hiaza afa-tsy ny fanamboarana ny lalana Faratsiho Sambaina, Ny Central Solaire amin’ny velaran-tany midadasika ao Ambatolampy izay efa manomboka mamatsy herinaratra, atsy ho atsy ho avy ny tetibola 1 miliara Ar hanaovana fanamboaran-dalana ao anatin’ny FER, efa hisy ny fivoriana mahakasika izany.
Maro ireo Olo-be nifanohana sy nifanotrona tamin’ny hetsika teto, ny teto vakinankaratra dia notarihan’ny Ramatoa Prefet ireo lehiben’ny deartemantam-panjakana maro isan’isany.
Niala voly indray ny vahoakan’antsirabe teto nanafana ny lanonana I Stephanie sy Rakroots.

sakafo 2sakafo 3sakafo 4
Serasera Faritra Vakinankaratra

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation