entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

26 jona 2018 : Feno haja tanteraka ny lanonam-panjakana.

26 Juin 2018

26 juin 2Fitiavan-tanindrazana sy filaminana, antoky ny fampandrosoana ho fisandratan'i Madagasikara. Io no teny faneva nentina nakalazana ny faha-58 taona niverenan'ny fahaleovantena. Fotoan-dehibe hoan'ny vahoaka Malagasy ny andron'ny 26 jona. Raha hoan'ny Vakinankaratra manokana dia nizotra am-pilaminana ny fankalazana ny faha-58 taona natao teo anoloan'ny tsangambaton'Antsirabe,notarihan'ny Ramotoa Prefet notronin'ny lehiben'ny Faritra Vakinankaratra General de Division RAKOTONARIVO William

notronon'ireo manam-pahefana sivily sy miaramila avy eto Antsirabe ary nahitana ireo sampandraharaham-panjakana isan-tokony. Toy ny mahazatra dia nisy Matso lehibe izay nadraisan'ny rehetra anjara, ireo mpiasam-panjakana, ny sekoly, orinasa, fikambanana maro ary indrindra fa ny foloalindahy sy ireo mpitandro filaminana.
Teo ampandraisam-pitenenan'i Ramatoa Prefet no nisaorany ireo rehetra nandray anjara tamin'ny Matso lehibe sy tonga nanatrika rehetra indrindra tamin'ny fihombonam-bavaka rehatra izay natao.
Nandritra ny fankalazana dia maro ireo olona lahy sy vavy nahazo ny mari-boninahim-pirenena: hoan'ireo nahazo ny Grand Officier de l'Ordre National Malagasy miisa 02; Commandeur miisa 08, Officier de l’Ordre National lmiisa 14, ary ny chevalier de l’Ordre National kosa miisa 18.
Teo ihany koa ny Commandeur de l'Ordre de Mérite miisa 01, Officier de l'Ordre de Mérite miisa 01, Chevalier de l'Ordre de Mérite miisa 03, ary ny Commandeur de l'Ordre de Mérite Artisanal miisa 02, Officier de l'Ordre de Mérite Artisanal miisa 06, Chevalier de l'Ordre de Mérite Artisanal miisa 05, ary ny Diplôme de décoration de libération National de Combat Nationaliste de 1947-1948 miisa 01 ary ny farany Médaille de Travail Argent miisa 07, Bronze 03.
Nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny lanonana, taorian’ny lanonana dia nisy ny fiarahana niala hetaheta ho an’ireo nahazo fanasana.

26 juin 126 juin 326 juin 4
Unité de Communication.

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation