entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Ofisim-paritry ny fizahantany eto Vakinankaratra 15 taona

30 Juin 2018

fizahantany 1Firoboroboan’ny fizahan-tany kitro hifaharan’ny fampandrosoana.
Vaninandro lehibe eto amin’ny Faritra Vakinankaratra ny fakalazana fitsingerin-taonan’ny faha 15 taonan’ny ofisim-paritry ny fizahantany .Notarihan’ny tale jeneralin’ny Ministeran'ny Fizahan-tany Andriamatoa RAZAFITSIAROFANA Jean sy ny avy ao amin'ny Faritra Vakinankaratra tarihin-dRamatoa RAMAHANDRIARIVO Fanja Tale Miadidy ny Lafintany ary ny avy ao amin’ny Prefektioran’Antsirabe

ny sabotsy 30 Jona teo anolohan’ny tsangambaton’Antsirabe renivohitry Faritra. Efa ho tratra ny tanjona raha Vakinankaratra no lazaina eo amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fizahan-tany satria maro ny toerana mampalaza izay reharahan’ny tokoa tsy hilaza afa-tsy Ankaratra, Ibity ,Tritriva. Tsy latsa-danja amin’izany ny asa Tanana, Kolontsaina izay mitan-tsoroka ny fampandrosoana ao anatin’ny Distrika 07 ahitana ireo kaominina 90 indrindra ny fananany harena voajanahary anaty faritra arovana .
Tsy afa mandeha irery ny fizahantany fa miaraka asa hafa mba hatratrarana ny drafimpam-pandrosoana nampetraky ny Faritra izay miainga amin’ny isan-tokatrano ka mipàka any amin’ny firenena iray manontolo mihitsy.
Efa akaiky ho tratra ny tanjona ho an'ny fanatsarana ny tontolo ny fizahantany ho an'ny Faritra satria efa Distrika 07 dia efa ahitana ny « Centre Villageois » avokoa . Na dia misedra olana maro aza ny sehatry ny fizahantany dia nohamafisin’ny ramatoa miadidy ny faritra fa vonona hitondra vaha-olana sy hifanome tanana amin’ireo fikambanana maro mba hatratrarana ny tanjona, mba tsy omena mitaha amin’ny faritra hafa manodidina. Nisy ny fitokanana ny takelaka mirakitra ny tantaran'ny hotely lehibe iray eto Antsirabe tamin'io fotoana io dia ny hotel des thermes izany. Hiezaka ny ofisim-paritry ny fizahantany ny hametraka takelaka tahaka io notokanana io amin'ireo faritra manan-tantara maro aty Vakinankaratra.

fizahantany 2fizahantany 4fizahantany 3
Stagiaire (Unité de communication)

 

Programme

ceni

Vakinankaratra

Situation

Situation