entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Hetsika ara-tsosialy manokana ho an'ireo tra-pasahiranana

10 Juillet 2018

sosialy 1Tsy nanadino ny Faritra Vakinankaratra ny vadin’ny filoham-pirenena dia ramatoa Voahangy RAJAONARIMAMPIANINA ka nandritra fankalazana ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo dia nisy ny tolon-tanana avy hoan’ireo fianankaviana sahirana ara-pivelomana eny anivon’ny Fokontany mandrafitra ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra. Miisa 1000 ireo fianakaviana marefo ara-pivelomana no notolorana lamba firakotra miisa 1 000,

savony 24 baoritra, menaka 32 baoritra, vary 7t ho fanampiana azy ireo. Nahazo torak’izany koa ireo voafonja avy eto Antsirabe miisa 400, ny zaza kamboty miisa 500 izay behazina eny anivon’ireny toerana mpitaiza zaza kamboty ireny. Isan’ireo kaominina ahitana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ihany koa ny kaominina Antsoantany raha any eto Vakinankaratra ka tsy hadino ny avy ao amin’ny ONN ny nanolotra fanomezana hoan’ireo beantitra any an-toerana. Notolarana vary 25 lasaka ihany koa Faritra Vakinankaratra, 20 lasaka hoan’ny kaominina Antsirabe Ambonivohitra. Natao izao hetsika izao mba hitsinjovana hatrany ireo olona marefo ara-pivelomana ary koa ho fampitoviana ireo zaza Malagasy rehetra.

sosialy 2sosialy 3sosialy 4

U.COMM

 

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation