entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

FIMPIMA Antsirabe : 276 mianadahy ireo nanatevina ireo efa nikabary

14 Juillet 2018

kabary 2"Izay tia ny tenin-drazany ,tia ny tanindrazany "Miaro sy manandratra ny fomba amam-pitenenana Malagasy amin'ny alalan'ny kabary .Mpikambana miisa 276 misalotra ny anarana FANOA nozaraina marim-pamantarana fa nahavita ny fihofanana ary marim-pakasitrahana ireo efa nahavita be tamin'ny tontolon'ny kabary. Ny asabotsy 14 jolay lasa teo no natao ny lanonana mahakotrokotroka tetsy amin’ny tany malalaky ny tranopokonolona

nitarika ny lanonana teto ny filohan’ny FIMPIMA manerantany Ramatoa ANDRIAMBOAVONJY Hanitra , ary ny filoha FIMPIMA faritany Antsirabe izay tompon-draharaha dia dRamatoa RANAIVOZANDRINY Raharinirina.
Ilaina ny fifanohanana amin'ny fanandratra ny maha Malagasy, izay atahorana sao ho sanatria ho raraka an-tany. Mahavelom-bolo tanteraka ny fahitana zatovo maro tena liana amin’ny Kabary toy izao lanonana natrehina izao. Nambaran'Andriamatoa Sekretera Jeneralin'ny Faritra Vakinankaratra Andriamatoa RAKOTOMAHANDRY Timothé izay nanome voninahitra ny lanonana teto fa ny Faritra dia manao ho zava-dehibe ny maha-malagasy mba ahafahana mamelo-maso ny tena fahendrena ao anatin’ny fifanajana tanteraka, izany rahateo no ahafahana mizotra mankany amin’ny fampandrosoana.
Akoatran'ny kabary izay nianarany dia nisy ihany koa ny fikajiana ny tontolo iainana ,fambolen-kazo , ny kolo vatana sy ny maro hafa

 kabary 1kabary 3kabary 4

U.COMM

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation