entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

FER Vakinankaratra : Miteti-bidy 1 miliara Ar ny anjaran’ny Faritra iray manontolo

18 Juillet 2018

fer1Lalana mirefy 387 km no vinavinaina ho asiam-panamboarana aty vakinankaratra, io ampahany io ihany koa no hanana’ny kaominina maro tombotsoa iraisana.Vola mitentina UN MILLIARD Ariary no natokan'ny FER na ny « Fonds d'Entretien Routier » ho an'ny Faritra Vakinankaratra ho fikojakojana ny lalana aty amin’ny Faritra iray manontolo.

Napetraka ireo lalana izay hananan’ny kaominina mifanolo-bodirindrina tombotsoa iraisana no laharam-pahamehana amin’ny fanatanterahana ny asa. Efa nisy arak’izany ny fivoriana savaranon’ando niarahana tamin’ny Faritra vakinankaratra izay notarihin'ny lehiben'ny Faritra ny jeneraly RAKOTONARIVO William , ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny FER nahitana an’-dramatoa RAPARSON Sarah « Responsable Administratif et Financier », ny talem-paritry ny asa vaventy aty antoerana , ary ireo Ben’ny tanana tato anatin’ny Faritra. Efa nisy ihany koa ireo fangatahana nataon’ny ben’ny tanana maro ho amin’izay fanamboaran-dalana izay. Manoloana izany dia ny avy ao amin’ny faritra ihany koa dia efa nandinika ireo fangatahana maro samihafa ary efa mahita ireo ampahan-dalana maro izay maro mpahazo tombotsoa ary hisy fiatraikany amin’ny fampandrosoana tanteraka.
Taorian’ny fivoriana natao ny fiandohan’ny volana jolay niarahana tamin’ny foibem-paritry ny asa vaventy, ny faritra sy ny FER ary ireo ben’ny tanana dia efa nisy ny tatitra sy vinavinan’asa noraiketina ary nalefa any anivon’ny FER. Eo ampiandrasana ny valiny isika ankehitriny .tsara ny manamarika fa ny tetibola amin’ity « tahiry ho an’ny fikojakojana ny lalana ity » dia tsy mandalo eo anivon’ny Faritra fa avy hatrany dia any amin’ny kaominina hanatanterahana ny asa.
Hitondra fanantenana ho an’ny vahoaka eo amin’ny famoaham-bokatra ny fiandrandrana ny fahazoana izao tohana avy amin’ny fanjakana ho amin’ny fanamboaran-dalana izao.

fer3fer 2fer4
Unité de communication

 

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation