entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

Fanabeazam-pirenena : Tonga nitsidika EPP 2 teto Antsirabe ny Piraiminisitra

20 Juillet 2018

EPP 1“Olana ara-tsendikaly, vahaolana ara-tsendikaly “olana ara-politika mitaky vahaolana ara-politika”
Hentitra tanteraka ny Piraiminisitra Lehiben’ny Governemanta raha nitsidika ireo EPP roa teto amin’ny tananan’Antsirabe ny Maraina teo.Teboka 07 no nangatahan’ny sendika ary saiky efa voalamin’ny fanjakana izany fitakiana izany ka notolorana vahaolana ara-tsendikaly ka hatramin’ny taona 2020 no hanefana izany .

Ny mahagaga hoy ny Piraiminisitra dia mbola mitohy ny fitakiana noho izany raha tolona politika no mandeha dia fanapahan-kevitra politika ihany koa izany no horaisina. Tsy tokony hatao sorona ny menaky ny aina, tsy tokony ho atao takalon’aina ny zanaka Malagasy hoy hatrany ny Piraiminisitra.Efa miezaka ny fanjakana ankehitriny hoy hatrany izy mamaha ny olana mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ,ny tsikaritra anefa dia manomboka mirona any amin’ny resaka politika ny fitakiana.
EPP Garbit, EPP Mahazoarivo no nitsidihany ny maraina teo.
Serasera Faritra Vakinakaratra

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation