entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Diabeta : Azo fehezina sy fantarina tsara

27 Juillet 2018

diabeta 4Anatin’ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny Faritra Vakinankaratra ny hetsika lehibe izay miahy ny mponina rehetra ao anatiny. Eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana ary dia efa mahazatra ny hetsika ataon’ny AMADIA( Andia Malagasy Miady amin’ny Diabeta) eto Antsirabe , varavarana misokatra andiany ny faha telo hiadivana amin’ny aretina DIABETA ary nihara-dalana tamin’izao koa ny fitiliana maimaimpoana ny Diabeta sy fijerena ny fahasalaman’ ny maso.

na dia ireo olona tsy ahitana ny taha ny Diabeta aza .Natao izany ny andron’ny ny andron’ny 26 Jolay tao amin’ny Espace Mihaja Andranovisy.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Lehiben’ny Faritra ny General RAKOTONARIVO William nahitana ny Ministera ny Fahasalam-bahoaka sy ny talem-paritry ny mponina, ireo mpitsabo ao amin’ny AMADIA sy ny mpiara-miasa aminy.
Teto indrindra no nanamafisan’i Andriamatoa Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra fa tafididitra ao anatin’ny fiahiana ara-tsosialy ny mponina izao hetsika lehibe izao, izay ao anatin’ny tarigetram-pampandrosana ny ny Farira. Ka ny vahoaka salama sy tomady hoy izy hatrany no afaka hitondra ny anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana ny Faritra misy azy ary mba hipaka eo amin’ny firenana iray manotolo.
Docteur Pierre RATSIMBAZAFY, Mpandrindram-paritry ny AMADIA eto no topomarika amin’izao hzetsika izao ary nanantitrantitra fa efa manerana an’izao tontolo izao ny ady atao amin’ny tahan’ny diabeta ho ambany indrindra, raha toa ka manodidina ny 5% eo izany. Raha eto Vakinankaratra manokana dia saika voakasika avokoa ny sokajin-taona rehetra satria hatreo amin’ny ankizy manodidina ny 9 volana ary ny zokiolona kosa dia ny 95 taona no ahiana mety ahitana izany taha ny Diabeta izany . Azo sorohana tsara anefa ny diabeta mba hitsinjovana ny mety ho voka-dratsy aterany.
Raha tsihaivina dia efa navoakan’ny lalana iraisam-pirenena ny ady atao amin’ny aretina diabeta mba hitsinjovana ny mety ho voka-dratsy ateran’ny eo amin’ny zanak’olombelona rehetra , Ka voakasik’izany ny vahoakan’ny Vakinankaratra.

diabeta 1diabeta 2diabeta 3
Unité de Communication

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation