entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Tetikasa famatsin-jiro ny tontolo ambanivohitra

06 Août 2018

jiro 1kaominina roa eto anivon'ny Faritra Vakinanakaratra no ahazo tombotsoa.
"Projet Café lumière" io no anarana ity tetikasa mamatsy herinaratra eny amin'ny tontolo ambanivohitra ity. Kaominina mihisa 2 ato antin'ny Faritra no efa nahavitana sy nametrahana ity tetikasa ity dia ny kaominina Mahaiza sy Ambotonikolahy ao amin'ny Distrikan'ny Betafo.

Amin’ity volana Aogositra ity no hovinavinaina ny fitokanana ity tetikasa. Efa vita tanteraka ny asa rehetra ka tonga nanara-maso sy nitsidika izany ny Sekretera Jeneraly ny Faritra RAKOTOMAHANDRY Thimoté sy ny Tale miadidy ny fampandrosoana Andriamatoa RAKOTOARIVELO Rivo Herindray.
Manana tanjaka 12 kw ity famokarana herinaratra avy amin'ny masoandro ity na ilay atao hoe "panneau solaire photovoltaique". Amin'izao fotoana dia ireo birao mpanjakana, ny fiangonana, ny hopitaly ary ireo milina ftotoam-bary eny an-toerana ihany aloha no ahazo ny herinaratra fa aoriana kely dia samy ahazo izany avokoa ny tokatrano tsirairay ao amin'ireo Kaominina ireo.
Nohezahina ho zakan'ny isan-tokatrano ny saran’ ity herinaratra ity satria dia mbola mora lavitra noho ny vidiny labozia fampiasa ny mponina ny vidin'izany. Tanana miisa 20 eto Madagasikara no ahazo ity famatsiana herinaratra ity ka ny 06 amin'ireo dia ho apetraka eto amin'ny Faritra Vakinanakaratra, arak’ izany dia ny roa amin'ireo no efa vita tanteraka fa ny efatra ambiny kosa dia ho tanterahiny amin'ny taona ho avy iny ny fametrahana azy. Ireo kaominina lavitra ny tanan-dehibe sy be mponina indrindra no voasafidy ahazo ity tetikasa ity.

jiro 2jiro 3jiro 4
Unité de Communication

 

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation