entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

 Antsoantany : Olona telo mianaka no may niaraka tamin'ny tranony

20 Août 2018

antsoatany 1Fianakaviana iray no niharan-doza ka mpivady iray niaraka tamin'ny zanany lahikely manodidina ny 6 taona no may niaraka tamin'ny entana rehetra tao an-trano sy ny vola vidin'entana mitentina 6 000 000 ariary. Nitrangana haintrano mahatsiravina tao amin'ny kaominina Antsoatany- Distrika ny Antsirabe II ny alin'ny alahady 19 aogositra 2018 lasa teo.

Tsy nitazam-potsiny izany ny avy eto amin'ny Faritra Vakinankaratra ka tonga namangy ireto fianakaviana ireto ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William sy ramatoa vadiny ary ireo mpiara-miasa aminy. Manoloana ny vona nahazo ireto farany dia nanolotra fanomezana ho fanampiana azy ireo ny avy eto anivon'ny Faritra ka noraisina manontolo ny fitsaboana azy ireo mandritra ny hijanonany eny amin'ny hopitaly ary nanolotra vary 50 kg ihany koa.
Nisy ny fiarahamientan'ny kaominina Antsoatany sy ny fiaraha-monina rehetra teny an-toerana tamin'ny famehezana ny afo mba tsy hitarany tamin'ireo trano mifanila aminy.Raha ny zavatra hita dia tena tsy nisy azo noraisina intsony ireo entana tao an-trano. Tsy nijanona tamin'ny famonoana ny afo ihany anefa ireo fokonolona fa mbola nitondra azy telo mianaka teny amin'ny hopitaly.
Efa misokatra ny fanadihadihana mahakasika ity fahamaizana tao Antsoantany ity.

antsoatany 3antsoatany 2antsoatany 4
Unité de Communication

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation