entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Fifanampiana Malagasy: Nahazo tombony ireo zaza sahirana mihisa 100

22 Août 2018

mpianatra 1Mpianatra mihisa 100 sy mpanabe miisa 9 ary ny filohan'ny Fifanampiana Malagasy no tonga manao ny fialan-tsasatra eto amin'ny Faritra Vakinankaratra. Ny andron'ny talata teo no tonga nitsidika ny birao ny Faritra ireto ankizy miaraka amin'ireo mpanabe ka noraisin'ny Lehiben'ny Faritra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William sy ny talen'ny kabinetra izy ireo.

Nandritra izany no nilazalazany ny momba ny Faritra sy ny zavatra mampiavaka azy. Raha ny fanazavany hatrany dia ankizy avy amin'ny fianakaviana sahirana manerana ny Nosy ireto tonga eto ireto. Tsy vao izao anefa ireto no manao izao fialan-tsasatra izao fa efa in-efatra izy ireo no teto Antsirabe izao.
Izao no natao hoy hatrany ny Filohan'ny Fifanampiana Malagasy dia ny mba hampitovizana ny zanaky ny Malagasy rehetra ary koa ho fampialana voly ireto ankizy ireto.

mpianatra 2mpianatra 3mpianatra 4

U. Comm

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation