entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Toby lehibe Farihimena : Fankalazana ny famaranana isan-taona faha- 72

26 Août 2018

farihimena 1"Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana"Mpit 2.26a io no teny faneva noraisin'ny Fiangonana Loterana Malagasy Synodam-paritany Avaratrimania Fileovana Toby Lehibe Farihimena Fifohazana miray ao amin'ny FFPM nentin'ny namaranana ny isan-taona faha 72 (1946-2018) izay Nanomboka ny alahady 19 Aout ka nifarana ny alahady 26 Aout 2018. Miisa 121 lahy sy vavy ireo voahositra ho mpiandry tamin'izao fotoan-dehibe famaranana ny isan-taona faha72 teto amin'ny tobilehibe Farihimena izao.
Tonga nanome voninahitra izao lanonam-pamaranana ny isan-taona faha 72 izao Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA, Filohan'ny Repoblika Malagasy sy ireo mpiara-dia aminy,nahitana ny tompon’andraikitra avy ao amin'ny Faritra dia Andriamatoa RAKOTONARIVO William Lehibe'ny Faritra Vakinankaratra,ary Ramatoa ANDRIATOMPONERA Voahangy Harimino Prefet an'Antsirabe indrindra ny filohan'ny toby Farihimena sy ny filohan'ny FFPM ary solon-tenan'ny Norvezianina ary ireo mpiandry sy ny kristianina rehetra ao toby lehibe Farihimena.Vita izany ny andron'ny alahady 26 Aogositra ,tao amin'ny Fiangonana toby lehibe Farihimena.
Nandritra ny lahan-tenin'Andriamatoa filohan'ny Repoblika Malagasy no nanantitrateriny fa tsy afa-misaraka amin'ny finoana sy Fanjakana satria nomen'Andriamanitra fiaraha-monina sy tontolo voakajy miaraka amin'ny fahendrena ,fahalalana ary fifaliana ny zanak'olombelona rehetra mba ho hita taratra amin'ny isambatan'olona, tokantrano ary eo Firenena iray manontolo.Ny olona beazin'ny finoana no isan'ny manana vinanavina lavitra eo drafitr'asa 100 taona izay ohatra velona nataon'i Dokotera RAKOTONIRINA David Filohan'ny Fiangonana Loteranina Malagasy eto Madagasikara hoy izy hatrany. Nanolotra 4.000 000 Ariary hoan'ny toby lehibe Farihimena izy mba ho entina hampiroborobo ny Fiangonana.
Nankasitrahan'ny solontenan'ny toby Farihimena i Andriamatoa Filohan'ny Repoblika Malagasy noho ny fanantaterahana ny fangatahan'izy ireo ny fotodrafitr’asa toy ny fanamboarana ny lalana sy ny fampidirana rano fisotro madio eny an-toerana.

farihimena 3farihimena 2farihimena 4
Unité de Communication

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation