entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Famatsiana rano fisotro madio sy fidiovana : Manohana ny faritra Vakinankaratra ny HOLCIM

18 Septembre 2018

Mpianatra miisa 572 avy amin’ny EPP maro toy ny tao Bemololo, EPP Fiadanana ary ny EPP tritriva no nahazo fotodrafitrasa ho an’ny rano fisotro madio sy fidiovana. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Nifanolo tanana arak’izany ny SAF FJKM sy ny orinasa lehibe Holcim , izay manana ny toerany aty Vakinankaratra.

Ireto avy ireo karazana fotodrafitrasa napetraka tamin’ireo toerana voalaza ireo : paompin-drano « Point d'eau équipé de Pompe à Motricité Humaine – PPMH » , fanasana tanana « Dispositif de Lavage des Mains – DLM ».
Fantatra ary ankehitriny fa mbola 55,61M ny tahan’ny tsy fahafahana manana rano fisotro madio eto Vakinankaratra. Noho izany dia mitady ny paikady rehetra ny faritra amin’ny fitadiavana fiaraha-miombon’antoka amin’ny tsy miankina.Ohatra velona sy porofo mivaingana izao diantanana ataon’ny orinasa Holcim izao, ary mbola hanentan’ny avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra ny finiavana sy ny tolo-tanana avy amin’ny Hafa.
Serasera faritra vakinankaratra

Sary : Communication Holcim

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation