entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Teratany Kaomoriana liana amin'ny fambolena aty amin'ny Faritra Vakinankaratra

19 Septembre 2018

Delagasiona vahiny avy atsy amin’ny Nosy Comores no tonga nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana teto anivon’ny Faritra Vakinankaratra ny talata tolakandro teo, izay noraisan’Andriamatoa RAMARIJAONA Andrianjafimiarantsoa talé kabinetran’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra.

Nandritra izany no nanazavana fa I Vakinankaratra dia faritra manankarena voankazo sy legioma maro, an’isan’izany ny fambolena paoma sy ny ovy. Vonona hatrany ny Faritra Vakinakaratra hoy ity farany, amin'ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena ary vonona ihany koa ny hanome traikefa amin’ny fampiharana ary indrindra amin”ny famadihana ny voakazo ho lasa zavatra azo tehirizina toy ny “confiture”. Eo amin’ny sehatra fifanankalozana ihany koa dia malalaka ny fiaraha-miasa. Ary namaranana ny fitsidihana dia noentina nitsidika ny “pepinière” ny Faritra ireto delegasiona ireto. Amin’ny maha-firenena mpirahavavy ny Nosy Comores sy Madagasikara dia isan’ny dian’izy ireo ny hijery ny soatoavina Malagasy ka mifanindran-dalana amin’izao diany aty Vakinankaratra izao ny hanatrika ny fanamarihana ny taom-baovao Malagasy izay atao any Betafo.


Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation