entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Betafo:Nankalaza ny Taom-baovao iraisan’ny Malagasy

19 Septembre 2018

Raha Fianarantsoa no nisantarana ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy , Vakinankaratra kosa no nanohizana ny fankalazana ny andiany faha-roa ary aharitra telo andro ny fankalazana. Tsinam-bolana no hanatanterahana ny andron'ny taom-baovao iraisana ka ny faha 19 Septambra no nakalazana izany tao Tsaravavaka, Distrika Betafo misy ny fasan'ANDRIATOMPONITANY mpanjakan'ny Vakinankaratra nanomboka ny taona 1740- 1800.

Tonga nanome voninahitra sy naira-nankalaza izao andron'ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy izao Ny jeneraly RAKOTONARIVO William Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra sy ramatoa vadiny ary ireo mpiara-miasa aminy,Andriamatoa RAFANOMEZATSOA Olivier mpanolo-tsainan'ny kolotsaina sy ny vakoka Malagasy nahitana ireo ampanjaka manerana ny Nosy sy ny delegasionina mafonja avy any nosy rahavavy "Comores".

Nandritra izao fakalazana izao no nanamafisan'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra fa i Madagasikara no manana rafitra ara-tsosialy sy ara-mpiaraha-monina mahaleotena talohan'ny fanjanahan-tany. Manamporofo izany ny fihaonam-be an'ireo Ampanjaka rehetra manerana ny Nosy ho fanamafisa ny fihavanana sy ny fanandratana ny kolotsaina maha Malagasy. Ny tantara no maha izy azy ny firenena, ary isika malagasy dia miezaka hatrany hiaro sy hitahiry ny kolotsainy. Firaha-miasa amin'ny foibem-paritry ny fambolena sy ny fiompiana ho fanandratana ny kolotsaina sy ny vokatra malagasy, hisy araka izany ny fampiratiana ny vokatra maro loko ny 21-22-23 Septambra ho avy izao manolohana ny tsangambaton'ny Fahaleovantena Antsirabe.

Aram-pomba Malagasy ny lanonana teto ka nisy ny fanaovana sorona ho an'ireo mpanjaka milevina ao amin' ny fasana Tsaravavaka ary nisy ny fizarana ny nofon-kena mitampiavanana ho an'ireo tonga nanatrika.


Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation