entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

Herinandron'ny fandraharahana ara-bola 2018: 90% an'ireo distrika 141 no efa voarakotra

24 Septembre 2018

Mpikambana miisa 20 no mandrafitra ny APIMF na ny (Association professionnelle des Institutions de Microfinance) manerana an'i Madagasikara. Hontanterahana eto amin'ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra ny herinandron'ny rafitra fandraharahana ara-bola madinika 2018 andiany faha efatra ny 24-28 septembra izao eo anoloan’ ny kaominina ambonivohitra Antsirabe.

Ny maraina teo dia nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny lanonana ka tonga nanome voninahitra izany ny Lehiben'ny Faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William sy ny mpiara miasa aminy, ny sekretera jeneraly ny prefekitiora, ireo tale-paritra isan-tokony ary ny Mpandrindra nasionaly ny fandraharahana ara-bola tsy manavaka. Mandritra izao hetsika dia nosafidina manokana ny lohahevita hoe" fanabeazana ara-bola" satria fantatra fa ilaina ny rehetra ny fahaizana mitantana eo anivon'ny fiaraha-monina. Teto ihany koa no nanambaran'Andriamatoa Lehiben'ny Faritra fa zava-dehibe ho an'ny fampandrosoana ny firenena ny fisian'ny hetsika tahaka izao ka naneho fisaorana ireo mpikarakara rehetra ny tenany amin'ny fifanomezan-tanana.

Marihina fa ireo mpikambana ao anatin'ny APIMF dia mampadroso ny ara-tsosialy sy ara-toekarena ny fianakaviana. Maro ny tolotra ho hita eo mandritra izany ka anisan'ny izany fanabeazana ny ara-bola ary tsy hadinoana ireo hetsika ara-javakanto maro isan--karazany.

Unité de communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation