entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

Fitsidiana ofisialy nataon'ny Minisitry mponina sy fiahina ara-tsosialy ary ny fampiroboroana vehivavy.

28 Septembre 2018

Tafiditra anatin'ny fampiroboproboana ny ara-tsosialy sy ny ara-toekarena ny mponina eto Vakinankaratra ny fidinana ifotony nataon'ny ministry ny mponina Ramatoa NAHARIMAMY Yrmah ny faran’ny herinandro teo. Distrika miisa 3 ato anatin'ny Faritra Vakinankaratra no notsidihiny dia Distrika Betafo, Antsirabe I ary Antsrabe II tao Mahaimandry.

Niara-dia tamin’ny ramatoa Minisitra ny Prefet an'Antsirabe, miadidy an’I Vakinankaratra Rtoa ANDRIANTOMPONERA Voahangy Harimino, Ny tale miadidy ny lafitany eto anivon'ny faritra Ramatoa RAMAHANDRIARIVO Fanja ary Ramatoa talem-paritry ny mponina eto Vakinankaratra. Nandritra ny fitsidihana dia nanolotra fitaovana ho entina mamokatra toy ny “sarcleuse” , borety, milina fikapoam-bary ary milina fanjairana ramatoa Minisitra.

Ho fampiroboroboana ny lafina ara-tsosialy dia fikambanana maro misy ao amin'ireo distrika ireo no hisitraka ny fanomezana, toy ny fikambanam-behivavy sy fikambanan'ny zokiolona. Amin'ny maha ministera mpiahy ny mponina ity ministera ity dia natao ho tanjon’ny hetsika mba hampiroborobo ny lafin'ny fambolena sy ny fiharian'ny mponina amin'ny maha-Faritra mamokatra an'ny faritra Vakinankaratra. Nandritra izao fistidiana izao ihany koa no nitondran’I Ramatoa Minisitra fanentanana mikasika ny fikajiana ny fahadiovana amin’ny fisorohana ny aretina azo avy amin'ny pesta.

Unite de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation