entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

MANDOTO : Fotodrafitr'asa 03 goavana mamaly ny filan'ny vahoaka

04 Octobre 2018

Mijanona ho fahatsiarovana sisa ilay biraon’ny commune Mandoto Fahiny, trano asy nisy rihana , simban’ny horohorontany ny 12 janoary 2017. Ankehitriny trano moderina lehibe misy efitra 9 ary misy efitrano fivoriana mendrika. Notokanana ny andron’ny tsena ny alarobia 03 octobre ireo fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka tao antoerana. Teo ny biraon’ny commune , ny biraon’ny kaomisaria an’ny polisim-pirenena ary

ny fanitarana ny “gradin” an’ny commune fanatontosana ny lanonam-panjakana sy fialokalofan’ny vahoaka rehefa iny miandry ny fanaovana ny taratasim-panjakana iny , na koa fipetrapetrahana mandritra ny tsena. Nitarina 8m avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ny gadin efa nisy teto taloha

Tonga nisolo tena ny fitondrana foibe tamin’izao fararanom-pitokanana izao ny Inspecteur Général ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Hanatevina ireo vondron-tafika sy mpitandro ny filaminana eto Mandoto manomboka izao arak’izany ny polisim-pirinena, ny aty Mandoto rahateo fantatra fa ao anatin’ny Faritra Mena. Efa vonona avokoa ny fampitaovana rehetra hampihodina ny kaomisaria eto mandoto torak’izany ihany koa ireo polisim-pirenena hiasa eto.

Niara-dalana tamin’ny fitokanana ity kaomisaria ity ny fanolorana moto 2 ho an’ny mpitandro ny filaminana. Tetibola ifarimbonana, ampahany tamin’ny CLD, hetra avy amin’ny vahoaka tolo-tanana maro samihafa : biriky 30 000 tamin’ny ramatoa ben’ny tanana sy ny fianakaviany, 1 tapitrisa Ariary tamin’ny Profesora Mamy Lalatiana, 1 tapitrisa ariary avy amin’ireo Loholona, ny plafond PVC tolotra ay amin’ny vadin’ny filoham-pirenena teo aloha, simenitra 25 lasaka avy amin’ny solom-bavam-bahoaka mivady ary ny tafo iraimanontolo dia avy amin’ny Lehiben’ny Faritra vakinankaratra, teto ny Lehiben’ny Faritra ny jeneraly RAKOTONARIVO William CR Vakinankaratra dia velom-pisaorana ireo rehetra nandray anjara satria ny tao-trano tokoa tsy vitan’ny Irery.

Omby iray avy amin’ny loholona no nifampizarana tamin’ny alalan’ny nofokena mitam-pihavanana teto ary mbola niampy omby iray hafa avy amin’ny Minisitra. Fararanon-danonana teto Mandoto tamin’ny fanolorana ireo fotodrafitrasa ireo ny biraon’ny commune, ny commissariat de Police ary ny “gradin communal” .nanome vonihanitra izao lanonana izao ireo olo-be sy manan-kaja eto amin’ny firenena sy ny Prefektiora miadidy ny Faritra Vakinankaratra.

Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation