entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Andranomanelatra : Nahazo toerana famonoana omby sy kisoa

04 Octobre 2018

Sambany eo amin’ny tantaran’ny kaominina Andranomanelatra no nahazo « tuerie » na famonoana ny biby toy ny kisoa sy ny omby manaraka ny fenitry ny fahasalamana sy ny lafiny teknika. Eo amin’ny tanan’ny Bemasoandro ao amin’ny Fokontany bemololo Andranomanelatra no misy ity fotodrafitrasa ity.

Maro ireo fotodrafitrasa vitan’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny fambolena sy famokarana eto Andranomanelatra raha tsy hilaza afa-tsy ny « barrrages » ao Menadia sy trafon’omby dia izao indray mahazo toerana famonoana bisy izao.

Efa tafapetraka eto miaraka amin’ity fotodrafitrasa ity ny lava-drano hiatohana ny fidiovana, ireo dia avy amin’ny fitodram-panjakana, eto ankilany kosa ny birao hiasan’ny zandary sy ireo mpitsara Commune. Ny toerana nananganana ny fotodrafitrasa dia avy amin’ny malala-tanana Rakotondrafara Gilbert. Velom-pisaorana noho izany fitiavana manokana izany ny ben’ny tanana Rasolofondramaria Renaud Emile Dit Baina ka nanome mari-pankasitrahana an’Atoa Gilbert. Ny Ben’ny tanana teto dia nanamafy ny fanagatahany panneau solaire ho an’ity fotodrafitrasa vaovao ity.

Nirindran-dalana tamin’izao fitokanana ny toerana famonoana biby izao ny fizarana ny akoho fakana nofo anatsarana ny sakafo isam-pikambanana no nahazo anjara tamin’izao akohokely izao

Ny fipetrahan’izao fotodrafitrasa izao dia fijerena manokana ny fahasalaman’ny vahoaka satria hena voatsara sy mamaly ny kalitaon’ny fahasalamana no mivoaka eto, ankoatrizany manatsara ny fidiram-bolan’ny commune.

Tonga nanome voninahitra ny fotoana teto ny tale avy ao amin’ny Ministeran’ny fambolena sy ny Fiompiana, ny prefet avy eto Antsirabe ary ny Lehiben’ny Faritra vakinankaratra, topomarika amin’ny lanonana teto ny tale miadidy ny fambolena sy ny fiompiana eto vakinankaratra ramatoa Rakotondranaivo Voahangy DRAE Vakinankaratra , sy ny ben’ny tanana Andranomanelatra. Tonga nanotrona ireo Lehiben’ny sampandraharaham-panjakana isan-tokony teto vakinankaratra, ireo ben’ny tanana maro avy ao amin’ny Distrikan’Antsirabe faharoa tarihin’ny Lehiben’ny Distrika ary ireo olo-manan-kaja maro.

Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation