entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

×

Annonce

L'absence de droits d'accès - fichier '/images/headers/AFFICHE_2018_RECTI.jpg'

District Antsirabe I

LEMAKA IANDRATSAY : tombony roa lehibe sady ahazo vola ny tantsaha no ahazo vokatra atsy ho atsy

05 Octobre 2018

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa fanadiovana ny lakan-drano Iandratsay ao amin'ny kaomininana Belazao distrika Antsirabe II. Tonga nanokatra izany ny talem-paritry ny fambolena sy ny fiompina Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Voahangy notronon'ny « Conseiller technique « « eo anivon'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny lehiben'ny sampandraharaha ny tetikasa eto anivon'ny Faritra andriamatoa Romuald Ramarolahy.

Efa ho 15 taona lasa izay no tsy nahitana vokatra intsony ity lemaka Iandratsay ity, nefa dia isany iereo lemaka midadasika indridra raha ho an'ny Faritra Vakinanakaratra manokana. Mirefy 1040ha ity velaran'tany ity ka isan-taona dia 200ha mahery no safotrin'ny rano ka tsy azo ambolena mihitsy noho ny tondra-drano mahazo ity lemaka ity. Noho ny fitarainana'ireo mponina sy ny fikambanana EZAKA dia tonga namalay ny antso ny avy eo anivon'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ka izao nanomboka izao ny asa

Aharitra 2 volany sy tapany ny asa ka mitentina 59 618 640 Ar ny teti-bidy ho atokana ho amin'izany izay novatsian'ny RPI DRAE Vakinanakaratra. Ny orinasa « La Cabane » no iandraikitra ny fanamboarana. Hisy amin'ny ampahany amin'io tetikasa io no atao amin'ny alalan'ny asa tana-maro na ilay atao hoe HIMO. Kaominina miisa 7 ao anatin'ny distrika an'ny Antsirabe I, Betafo, Antsirabe II no hahazo tombotsoa amin'ity fanamboarana ity lakan-drano ity. Azo heverina arak'izany fa isany ho sompotry 'ny Faritra Vakinankaratra eo amin'ny lafiny famokarana ara bary ity lemaky Iandratsay ity ao aorian'ny fahavitan'ny asa fanamboarana, izay tafiditra indrindra ao antin'ny vinan'ny ministera ami'ny fahavitan-tena ara-bary.

Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation