entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Nandray ny delegasiona Indoneziana ny Lehiben’ny Faritra

09 Octobre 2018

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ireo delegasiona avy any Indonezia notarian'i Mei Quin Board Director , ny andron'ny 09 Octobre teto amin'ny Biraon'ny Faritra Vakinankaratra. Nandray azy ireo ny Lehiben'ny Faritra RAKOTONARIVO William sy ny mpiara- miasa aminy. Nanazava ny Lehiben'ny Faritra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William fa i Vakinankaratra dia toerana midadasika ary saika ny 85% ny mponina dia mpamboly avokoa. Manana mponina manodidina ny 3 tapitrisa , manana kaominina 90 ary manana Dstrika mihisa 07 ary eo ihany koa ny Fokontany 1001 .

Ny tontolon’ny fambolena sy ny famokarana arak’izany no iompanan’ny fiaraha-miasa ary ho voakasika manokana ny mangahazo any amin’ny tapany andrefana, ny legioma kosa aty amin’ny tapany atsinanana ary ny paoma amin’ny tapany atsimo. br />

Hisy araka izany ny fiaraha-miasa hanatsarana ny lafin'ny fambolena . Tosika iray lehibe ho fampandrosoana ny Faritra Vakinankaratra ny fiaraha-miasa amin'ny firenena hafa.Nisaotra ireto delegasionina mafonja ireto ny Lehiben’ny Faritra.

Unité de Communicationbr

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation