entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

ROTARY CLUB INTERNATIONAL : Hanololotra hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana amin’ny fiandohan’ny taona 2019

22 Octobre 2018

rotary3Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny mpitantana teto anivon’ny faritra vakinakaratra ny delegasiona ny ROTARY club international izay notarihan’i Madame SHELLY OUKABAY Governora distrika 9220. Nandray azy ireo ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William sy ny talen’ny kabinetra ny Faritra RAMARIJAONA Andrianjafy.

Tapaka nandritra izany fitsidiana izany fa hisy ny hetsika ara-pasalamana izay ho karakarain’ny ROTARY CLUB International ka nosafidina manokana ny Faritra Vakinankaratra.Handefa manam-pahaizana manokana momba ny fahasalamana izy ireo hanadiady sy hijery ifotony ny hopitaly eto antsirabe.

Ao aorian’izay dia hisy fitsaboana maimaim-poana ireo marary eny anivon’ireo hopitaly, ka anjaran’ny faritra sy ny kaominina Antsirabe no mampahafantatra ny olona fa hisy ny fitsaboana maimaim-poana omena ireo olona izay marary eny amin’ny hopitaly. Mandritra ny 10 andro no hanatanterahana izany ka ireo mpitsabo avy amin’ny ROTARY Club International ihany no misahana ny fitsaboana, Hiara-dalana amin’io hetsika io dia ho tonga hitsidika ny Faritra ihany koa ny “President International” ny ROTARY Club PRI Barry RASSIN.

Tsara ny manamarika fa ny faha- 26 febroary 2019 ka hataramin’ny 06 martsa 2019 nohanaovana ity hetsika ity ary maimaim-poana avokoa ny fizahana sy ny fitsaboana ireo aretina rehetra. Ny fikambanana Rotary club dia miaro sy miady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ka nisy ihany koa ny fametrahana ny vato fehizoro ho marikin’ny fiarovana izany sy fitsidihana ny tanin-janakazo ny Faritra vakinankaratra.

Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation