entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Fampitsaharana ny ady lehibe voalohany : 100 taona aty aoriana

11 novembre 2018

GM1Tsy navela ho raraka an-tany ny ra latsaka sy aina nafoy nandritra ny ady lehibe voalohany teto amin’izao tontolo izao. Ny firenena rehetra manerantany dia tsy mamela io vanim-potoan’ny 11 novembre io andeha fotsiny fa misy hatrany ny fanamarihana.
Ho an’Antsirabe manokana dia nisy ny fanamarihana izany tamin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny 11 Novembre. Tonga nitarika izany ny Prefetn'Antsirabe Ramatoa ANDRIATOMPONERA Voahangy Harimino, ny Lehiben'ny Faritra Vakinanakaratra ny Jeneraly RAKOTONARIVO William,

ny Ben'ny Tananan'Antsirabe,Ny “General de brigade Commandant d’Armes de la place Antsirabe” ny Colonel Bruno MALET mpiandraikitra ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho Frantsay, ary ny solotenan’ireo bekotro maro holatra.
Raha tsiahivina dia maro ireo miaramila Malagasy nandray anjara tamin'ny ady izay nanampy ny firenena Frantsay. Nahatratra hatramin'ny 45000 ka ny 4 000 tamin'ireo no maty raha efa nisy ihany ireo efa tafody aty Madagasikara ny taolam-balony. Niavaka ny fanamarihana ny 11 novembre tany Frantsa tamin’izao faha-zato taona izao, ary maro ireo filoham-panjakana manrantany no nanatrika izany. Ankoatran’ny fanamarihana mahazatra dia nisy ny fikaonan-doha manerantany momban’ny fandriam-pahalemana.

 
Unité de communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation