entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

Tetik'asa MANITATRA

16 Novembre 2018

MANITATRA1Tantsaha 15 000 no ahazo tombony ary Kaominina miisa 17 ato anatin'ny Faritra Vakinankaratra indray no hanohizana ny tetikasa MANITATRA 2 raha tany amin'ny Faritra Atsimo Antsinanana no nanaovana ny andiany voalohany. Mandritra ny 3 taona ny faharetan'ny tetikasa izay vatsian'ny COMESA/ UE vola marihina fa ny orinasa GSDM no angady nananana sy vy nahitana izao tetikasa izao.

Ny maraInan’ny alakamisy 15 Novembre teo dia nanatanteraka atrikasa ho fampahafantarana ny tetikasa ny avy ao amin'ny GSDM tetsy amin'ny efitrano malalaky ny "Résidence sociale Antsirabe.

Hoan'ny tapany andrefan'ny Faritra dia kaoaminina 10 no hanatanterahana ny tetikasa ary ny ambiny kosa any amin'ny tapany avaratra. Tonga nanome voninahitra izany ny Sekretera Jeneralin'ny Prefektiora ny Tale miadidy ny fampandrosoana eto anivon'ny Faritra Vakinankarata Andriamatoa RAKOTOARIVELO Rivo Herindray, ny talem-paritry fambolena sy ny fiompiana sy ny tale-paritry ny Tontolo iainana sy ny ala ary ny Zahavoary ary ny tale mpanatanteraka ny GSDM Andriamatoa RAKOTONDRAMANANA.
Ny tetikasa MANITATRA andiany 1-2 dia natao indrindra ho fanatsarana fambolena maharitra, ny fambolen-kazo izay hiarovana ny nofon-tany tsy ho kaon'ny riaka. Anisan'ny tena himasoan'ny tetikasa MANITATRA 1-2 ny fambolena vary an-tanety izay hita tokoa fa efa maro ireo tantsaha no mirona amin'izany.

Firenena dimy aty afrika no hiasan'ny tetikasa MANITATRA ka isan'izany i Madagasikara. Araka izany dia ny faritra Vakinankatra no hanaovana ity tetikasa ity ka tantsaha miisa 15 000 no hahazo tombotsoa. Hazo maherin’ ny 15 000 000 kosa no ho voavoly ary hazo fihinam-boa hatramin'ny 50 000 isa no hotratrarina ao anatin'ny telo taona. 

 

MANITATRA4 
Unité de communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation