entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe I

BOA sy ny FARITRA Vakinankaratra: Hifantoka any amin'ireo tantsaha ny fanombohana ny fiaraha-miasa

20 Novembre 2018

BOA1Tonga nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana ny mpitantana teto anivon'ny Faritra Vakinankaratra ireo delegasion'ny " BANK OF AFRICA" efatra mianadahy ny andron’ny talata 20 Novembre, izay notararian-dRamatoa NOELINIRINA Zoelisoa “Directeur du Reseau”. Nandray azy ireo teto ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Vakinankaratra Andriamatoa RAKOTOMAHANDRY Thimoté sy ny Talen'ny Kabinetran'ny Lehiben’ny Faritra Andriamatoa RAMARIJAONA Andrianjafimiarantsoa.

Navohitra nandritra ny fihaonan'ny roa tonta ny fitadiavana fiaraha-miasa azo atao eo amin'ny faritra vakinankaratra sy ny BOA de Madagascar.Nampahafantarina teto ireo laharam-pahamehan’ny Faritra Vakinankaratra, teo no nitsirian’ny fiaraha-miasa dia famatsiana vola ho an'ireo vondrona tantsaha izay vatsian'ny Faritra masomboly toy katsaka sy ny soja.
Santatry ny asa sy ny fihaonana no natao teto mbola ho avy kosa ny manetsa be .

BOA2BOA21BOA4
Unité de Communication

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation