entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

Région Vakinankaratra : Journée Mondiale de la Vue à Andranomanelatra

15 Novembre 2017

vue 170 000 no olona osa maso eto Vakinankaratra, ny 80% n’ireo dia azo tsaboina saingy tsy mahazo fitsaboana, 20 000ny isan’ny jamba saingy 1000 monja no niatrika fandidiana.Mbola ezaka lavitr’ezaka arak’izany no atao eto amin’ny faritra vakinankaratra rah any fahasalaman’ny maso no ambara.

Efa hatramin’ny taona 2008 no nitsangana ny vina 2020 na ny “Vision 2020” ary manao ezaka sy tomban’ezaka isan-taona saingy mipetraka hatrany ny olana ho an’ny Hôpitaly Andranomadio ao amin’ny fitsaboana maso dia efa miezaka izy ireo manatona ny vahoaka ho amin’izay fitsaboana maso izay, nanamafy izany ny Dr RABEROSOA RICHARD, Medecin Chef Fitsaboana maso Andranomadio.
Nanana ny lanjany tanteraka ny lanonana noentina nanamarihana ny andro manerantany ho an’ny Fahitana teto Vakinankaratra.Andranomanelatra no nampiantrano izany ary nisitraka tolotra ara-pahasalamana maro ny vahoaka tany antoerana toy ny fitiliana ny maso, ny fitiliana ny diabeta, ny fitsaboana sofina, ny fanomezan-dra sy ny tolotra maro samihafa.”Tsy lahatra akory ny fahajambana” io no lohahevitra nobanjinina tamin’izao hetsika izao.Ireo manam-pahefana tonga tany antoerana dia samy nilaza ny maha-zava-dehibe ny fahasalaman’ny maso ary tsy tokony atao ambanin-javatra izany. Teo ihany koa izy ireo no nisaotra ireo mpiara-miasa maro isan-karazany izay manohana ny fanjakana tokoa eo amin’izay tontolon’ny fahasalaman’ny maso izay satria hita taratra tokoa ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina mba ho fampandrosoana ny vahoaka na izany aza mbola lavitra ny lalana ary maro ny ezaka. Ny talem-paritry ny fahasalamana eto Vakinankaratra ny Dr RABENIRINA PIERRE dia nisoatra ny ezaka ataon’ny komity Vision 2020, satria zava-dehibe loatra ny fiaraha-mietana sy miasa.
Saiky nilaharana avokoa teto ireo tolotra maro isan-karazany ary hita ho tena naharisisika ny maro ny fizaham-pahasalamana.Raha ity hetsika ity dia faha-10 nomanin’ny Vision 2020 ary raha teto Antsirabe foana no nahazatra dia nanomboka nivoaka tamin’ny toeran-kafa izany, nisy fotoana tany betafo ary izao dia tao Andranomanelatra indray.

vue 4vue 2vue 3
Unite de Communication

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation