entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

Soanindrariny : Tsenaben'ny Tantsaha andiany faha-efatra

15 Mai 2018

Tsena 2Tsenaben’ny tantsaha andiany faha-efatra : tanora katolika mandray andraikitra
Ny Kaominina Ambanivohitra Saonindrariny ao anatin’ny distrikan’Antsirabe faharoa no nampiatrano ny hetsika ara-toe-karena Tsenaben'ny Tantsaha andiany faha 4 mandritra ny 2 andro ny 15 sy 16 Mai 2018 izay karakarain'ny FTMTK na ny Fikambanana Tanora Malagasy Tantsaha Katolika.

Eo amin’ny lafiny ara-piangonana dia ny Distrika Ambohibary -Saonindrariny -Betsiolany ary Soamananazy ao anatin’ny diosezin’Antsirabe no topomarika amin’ny fanomanana . Maro ireo hetsika noentina nanamarihana izao tsenabe izao, izay nialohavan'ny Carnaval ,fifaninanana vako-drazana ,kilalao isan-karazany ary ireo trano heva miisa 21 ahitana Mpandraharaha vaventy ,fikambanana mpamboly sy mpiompy indrindra fa ny fampirantiana ny vokatry ny tany ataon'ireo tantsaha .
Tanjona ao anatin'izao hetsika ara-toekarena izao ny fampivoarana ireo olona tantsaha eny ambanivohitra amin'ny ara-pivelomana ,fampianarana sy fampiofanana fambolena sy fiompiana izay tena seham-piharian'ny eny amin'ny tontolo ambanivohitra mba ho tanora manana ny ho aviny ary koa mivelatra amin'ny fampandrosoana. Nanatrika sy nanome voninahitra izao hetsika izao ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Vakinankaratra RAKOTOMAHANDRY Thimoté ka nambarany tamin'ireo tanora fa zava-dehibe ho an'ny Faritra izao hetsika izao izay mitovitovy amin'ny « Foire Economique » Z'Ovy andiany faha 4 karakarain'ny Faritra ny 18-19-20 Mai manoloana ny Kianjan'ny Fahaleovantena Antsirabe ary ny fanomanana izany aty amin’ny tontolo ambanivohitra dia efa tena ezaka goavana tokoa. Nisaotra sy nankahery ary namporisika hatrany ny FTMTK ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra mba hanohy ny hetsika ho fandraisana anjara goavana ho an’ny fampandrosoana.

Tsena 1Tsena 3Tsena 4
Unité de Communcation

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation