entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

Région Vakinankaratra :CHOISI MADA hanolotra fitaovana ara-pahasalamana eto Andranomanelatra.

29 Juin 2017

ANDRANO 1Mitondra valim-babena hoan'ny tanindrazany no azo hilazana ny hetsika ataon'ny fikambanana Choisi Madagascar sy ny GIDEM aty Vakinankaratra . Omaly tao Andranomanelatra no nitafa mivantana tamin'ireo ben'ny tanàna avy amin'ny ditsrikan'Antsirabe faharoa sy ireo tompon'andraikitra voalohany ara_pahasalamana manerana ny distrika 07 eto Vakinankaratra

izy ireo ka nandritra ity fihaonana ity no nilazan'izy ireo fa efa an-dalana ankehitriny ity Containeur iray izay feno fitaovana ara_pahasalamana sy ordinateur hoan'ireo kaominina sy ny hopitaly aty Vakinankaratra. Nanamafy izany indrindra Andriamatoa RAMAKA Joel isan'ireo mpikambana ao anatin'ity Choisi Madagascar ity ary ankoatran'izay dia nambarany ihany fa tsy maintsy hisy ny fanaraha-maso hataon'izy ireo mba tsy hisian'ny gaboraraka eo amin'ny fitantanana ny fitaovana fa eo ihany koa ny mety hahafahana mandefa tompon'andraikitra raha misy ny tsy fahatomombanan'ny fitaovana. Tao Andranomanelatra ny fihaonana satria dia isan'ny mpikambana ao anatin'ity Choisi Mada ity ihany koa ny ben'ny tanàna ao amin'ity kaominina ity ary tamin'ny taon-dasa dia efa nisy fanomboham-piaraha-miasa teo amin'ny kaominina sy ny fikambanana.Tsy miasa irery ny fikambanana mandritra izao hetsika ho fanampiana an'i Vakinankaratra izao fa manampy betsaka azy ireo ny ministeran'ny fahasalamana indrindra amin'ny fanamorana ny fampidirana ireto fitaovana ireto. Fantatra fa fanombohana ihany izao hetsika izao ary afaka herinadro dia ho tonga ny entana.

ANDRANO 2ANDRANO 3ANDRANO 4

 

Programme

AFFICHE 2018 RECTIF

Vakinankaratra

Situation

Situation