entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

faritra Vakinankaratra : Fanohanana ireo vehivavy VMTAA AMBOHITSIMANOVA

14 Juin 2017

VTNAA1Tafiditra ho isan'ireo faritra mbola hanjakan'ny tsy fanjariantsankafo mitarazoka eo amin'ireo zaza ny Fokontany ny ao amin'ny kaominina Ambanivohitra Ambohitsimanova Distrikan'Antsirabe faharoa. Isan'ny nahatonga ny safidin'ireo vehivavy mpikambana ao amin'ny VMTAA na ny Vehivavy Misehatra amin'ny Tontolo Ambany Andrefana nitondra ny tetik'asa ho famokarana sy ny fanodinana ny Soja,

ka nisy tosika nomena ireo vehivavy tao anatin'ny kaominina araka ny nambaran’ny filohany ramatoa HANITRINIAINA Marie Irène

Hitondra rivo_baovao sy fanantenana hoan'ireo vehivavy eny amin'ny tontolo ambanivohitra ny tetik'asa toy izao ary indrindra raha ho an'ity kaominina Ambohitsimanova ity satria dia saika ireo vehivavy no tena misahana ny andavan'androm-piainan'izy ireo satria fantatra fa ny ankamaroan'ireo mpitondra posy eto Antsirabe dia ireo lehilahy avy ao amin'ity kaominina ity.
Fikambanam-behivavy miisa 32 isa samy manana velaran-tany 2 ares isany no misitraka izao tetik'asa izao ary nanamafy teto Andriamatoa lehiben'ny faritra Vakinankaratra ny Jeneraly RAKOTOANRIVO William izay nitarika ity lanonam-panombohana ny tetik'asa fambolena sy fanodinana ny Soja ity tao amin'ny Fokontany Ambohiboangy kaominina Ambanivohitra Ambohitsimanova omaly alarobia 14 Jona fa mendrika ho tohanana ny ezaka toy izao , ny soja rahateo moa dia isan'ireo lalam-pihariana efatra ifotoran'ny faritra.
Tsy nijanona teo amin'ny fampiofanana ireto vehivavy ireto ny VMTAA fa nisy ihany koa ny tohana ara-pitaovana ho enti-manomboka ny tetik'asa ary ny faritra Vakinankaratra dia nanolotra 500 000 Ar fanampiana ity fikambanam-behivavy izay heverina ho fitaratra eo amin'ireo fikambanam-behivavy hafa misehatra eny amin'ny tontolo Ambanivohitra.

VTNAA2VTNAA3vtnaa4
Myriame stagiaire

Programme

PUB

Vakinankaratra

Situation

Situation