entete-sociaux

 

Face izytwittGoogle photo-Hover izygooglerech-Pass

 

 

 

region vakinankaratra district

District Antsirabe II

IANDRATSAY: ho foana tanteraka ny nofy ratsy hatrizay.

20 Juin 2017

iandratsay111 Taona lasa izay dia tsy afaka namokatra intsony ny tanimbary maherin'ny 2800 Ha ao amin'ny Fokontany Tsarahasina Kaominina Belazao. Ity lemaka ity izay safo-drano hatrany isan-taona nohon'ny fahatsentsenana'ireo tambajotra telo goavana ahafahana mamily ny rano mba tsy handifotra ny tany azo volena dia ny tambajotra Tatamahitsy ,Marondry ary Mangotsoka ka ity farany no nanombohana asam-pokonolona nanomboka ny faha 9 May lasa teo.

Miasa isaky ny talàta ireto fokonolona mpahazo tombontsoa ireto izay marihana fa tsy misy mikarama na dia iray aza ka heverina ho vita ao anatin'ny enina herinandro ity andiany voalohany ity. Lavitr'ezaka sady goavana ny asa, ary efa nisy ihany ny fanaovan'ny kaominina ny tetibidin'ny asa hoy ny ben'ny Tanànan'i Belazao Andriamatoa Louis Amedé saingy mbola eo ampiandrasana ny valiny ankehitriny .Ny mahavelombolo hoy ihany ity tompon'andraikaitra voalohan'ny kaominina ity dia ny fianiavan'ireo fokonolona handray an-tanana sy mitsinjo ny hoavin'izy ireo miampy ny fanohanana avy amin'ny faritra Vakinanakaratra izay tsy mitazam-potsiny ny ezaka ataon'ireto fokonolona ao Tsarahasina ireto fa nanolotra vary 100kg isaky ny fotoampiasan'izy ireo mba ho tohana .Ankoatran'io dia nohamafisin-dRamatoa Tale miadidy ny lafintany RAMAHANDRIARIVO Fanja fa ny tena tsara indrindra akoatran'izany dia ny fifanomezan-tanana eo amin'ny fanjakana sy ny vahoaka eny ifotony.Na dia heverin' ireto Fokonolona ireto fa adidiy tsy maintsy ataony amin'ny maha olom-pirenena azy izao asa izao dia mahatsiaro tena tsy irery izy ireo satria teo ireo ray aman-dreny ara_panjakana nanolo-tanana azy ireo.Marihana fa na asam-pokonolona aza ity asa atao etsy Tsarahasina kaominina Belazao ity dia azo lazaina ho manaraka ny teknika sy ny fenitra amin'ny fanaovana asa goavana satria ireo teknisianina avy aty amin'ny faritra dia miara-miasa akaiky amin'izy ireo.

IANDRATSAY3IANDRATSAY4IANDRATSAY2
Unité de Communication

 

Programme

zovy

Vakinankaratra

Situation

Situation